Socio-eco

Lanterne taxi-ville eto Antananarivo : Maimaim-poana sady tsy an-tery no ahazoana izany


Telo tonta no namolavola ny tetikasa ho amin’ny fanatsarana ny fampiasana ny fitaterana an-dRenivohitra eto Antananarivo. Teo ny CUA (Kaominina Antananativo Renivohitra) , ny FTAR (Fikambanan’ireo matihanina amin’ny fanaovana ny Taxi-ville) ary ny  orinasa tsy miankina Publimotion. Efa nanomboka tamin’ny Desambra 2016 no nahatafatambatra ny rehetra tamin’ny hoe mila hazaina sy tsy tokony hahazo sehatra intsony ny mpitandraka ny asa fitaterana amin’ny « fomba maloto ».

 Ny tanjona niraisana dia ny  hanatsara ny endrikin’ny tanàna sy hanadio ny taxi, mba ialàna amin’ny gaboraraka. Teo no nitsiry ny hevitra fa hampiasa  ny lanterne amin’ny endriny vaovao, izay hisy  dokan-barotra ho an’ny taxi ara-dalàna rehetra tsy an-kanavaka. Samy nankatoa an’io lanterne vaovao  misy dokam-barotra io ny CUA – FTAR – Publimotion, na ny endriny na ny habeny,

Nanomboka nizara niara-nisalahy ny CUA-FTAR-Publimotion nizara ireo lanternes ho an’ny taxi miisa 20 teo ho eo ny 27 Marsa 2017.

Ny 28 Marsa 2017 anefa dia nisy ny olana tsy nifanarahana teo amin’ny CUA sy ny FTAR momba  ny contre-visite, izay tsy misy ifandraisany amin’ny fizarana lanterne mihitsy. Naato ny fizarana ny lanterne araka ny baikon’ny CUA nanomboka teo.

Ny 31 Martsa 2017 kosa indray dia nanome ny baiko ny CUA, hanohy ny fizarana ny lanterne, saingy  naneho ny tsy fankasitrahany ny FTAR manoloana izany.

14 Aprily 2017, nanome baiko ny CUA mba hampiato ny fizarana, mba hahazoan’ny CUA sy ny FTAR mandamina ny olana misy.

Teo anelanelan’ny Volana Mey  hatramin’ny Aogositra 2017 teo kosa dia maro ny fifandresen-dahatra sy fifampiraharahana (négociation) nataon’ny Publimotion teo amin’ny CUA, satria efa tonga eto an-toerana avokoa ireo lanternes rehetra.

Ny 29 Aogositra 2017  lasa teo dia nanome alalana ny CUA fa hisy lanternes karazany roa hifamezivezy eto Antananarivo : lanterne kely teo aloha sy ny lanterne lehibe misy dokam-barotra. Malalaka tanteraka ny taxi amin’ny safidiny.

Ny 13 Septambra 2017  dia nanomboka ny fizarana ny lanterne lehibe misy dokam-barotra, ary nanomboka teo dia nohatsaraina tanteraka ny « contrat » ifanarahan’ny Publimotion ny ny tompon’ny taxi.

Tsara ny manamarika manomboka eto fa tsy misy ifandraisin’ny CUA sy ny FTAR intsony ny fizarana lanterne ataon’ny Publimotion.     Ny contrat dia maharitra efa-bolana ary azo havaozina, maimaim-poana tanteraka ny fampiasana ny lanterne Publimotion.

Ny taxi ara-dalàna ihany anefa no afaka mandray sy mitondra izany lanterne Publimotion izany,

Ary nampanantena izy ireo (ny Publimotion) sady voarakitra ao anaty fifanarahana ihany koa fa misy bonus 30.000 Ar omena ny taxi isakin’ny faran’ny efa-bolana.

Fanamarihana hafa koa no ilazàna fa ny lanterne dia natao avy amin’ny akora tsara sy natao hateza. Kanefa, noho ny antony samihafa, raha misy fahasimban’ny lanterne, ny taxi dia hanantona avy hatrany any Publimotion hijerena ny hanamboarana izany,

Raha sanatria kosa anefa misy fahaverezan’ny lanterne,ny taxi dia manao déclaration de perte any amin’ny mana-pahefana tandrify izany, ary mitondra izany any amin’ny Publimotion mba hahazoana manolo izany maimaim-poana.

Misy toromarika sy hafatra vitsivitsy ireto manazava kokoa ny tombony ho azon’ny mpandraharaha eo amin’ny asa fitaterana Taxi-ville eto Antananarivo renivohitra, araka ny fanazavana entin’ny orinasa Publimotion : Manantsara ny endriky ny taxi ny fametrahana io lanterne lehibe io, natao amin’ny teny Malagasy ny contrat, natao 30.000 Ar ny bonus mba hahasahina ny contre visite sy viste technique. Tsy karama akory sanatria io fa fankasitraham-piaraha-miasa ihany.

Manana safidy malalaka ny taxi amin’ny fitondrana ny lanterne, maimaim-poana tanteraka ny fampiasana ny lanterne Publimotion. Tsy misy tetika hangalana vola amin’ny taxi mihitsy aty amin’ny orinasa Publimotion. Tsy misy vola aloan’ny taxi aty amin’ny orinasa Publimotion.

 Ny taxi ara-dalana rehetra dia afaka mametraka an’io lanterne io. Tsy misy an-kanavaka mihitsy (na ireo mpikambana ao amin’ny FTAR na tsia). Hahazoan’ny taxi tombon-tsoa ny fitondrana io lanterne io, ary raha ny tokony ho izy dia tokony hamporisika ny taxi haka lanterne Publimotion ny FTAR satria izy ireo dia miaro ny tombon-tsoan’ny taxi. Araka ny hafatra avy amin’ny CUA, afaka mivezivezy tsy manala lanterne any amin’ireo Communes manodidina ny tananan’Antananarivo (Oh : Ivato, Aéroport, Itaosy, Ambohimangakely, sns …) ireo taxi misy ny lanterne Publimotion,

Tsy misy ifandraisana mihitsy ny fizarana lanterne sy ny OMAVET. Manamarina izany ny fisian’ny taxi tsy mankasitraka ny OMAVET  nefa mametraka ny lanterne Publimotion. Tsymisy ambadika na tetika politika ny fampiasana lanterne Publimotion.


One comment on “Lanterne taxi-ville eto Antananarivo : Maimaim-poana sady tsy an-tery no ahazoana izany

  1. Pingback: Lanterne taxi-ville eto Antananarivo : Maimaim-poana sady tsy an-tery no ahazoana izany - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *