Sport

KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF : Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis


Football club Swift Hesperange izay 1 ère division ao Luxembourg no hanao lalaom-pirahalahiana amin’ny Barea ho fanomanana ny dingan’ny fifanintsanana CAN 2021. Ho fanomanana ny ekipam-pirenena Malagasy dia nandroso soso-kevitra tamin’ny komity mpanatanteraky ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra (FMF) i Nicolas Dupuis. Tao anatin’izany ny fanatanterahana lalao ara-pirahalahiana tany Portugal saingy tsy tanteraka izany noho ny fepetra ara-pahasalamana iadiana amin’ny Covid-19 tao amin’io firenena io. Ho fiarovana hatrany ny fahasalaman’ny Barean’i Madagasikara dia nangataka ihany koa ny mpanazatra ny ekipa mba ho ao amin’ny manodidina an’i Frantsa ihany izy ireo no hanao ny fanazaran-tena ho fiomanana amin’ny fifanintsanana ho an’ny CAN 2021. Manohana ny hevitra natolony  ireo komity mpanatanteraka miisa fito ao amin’ny FMF araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny 25 septambra 2020 tetsy Antanimena.

 “Araka ny fandaminan’ny CAF dia tompon’ny fanapahan-kevitra  ambony ny komity mpanatanteraka. Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis izahay”, hoy ny solontenan’ny komity, Andriamanampisoa Alfred. Noho izany, hanao “fizaran’asa” ao Luxembourg sy hanao lalaom-pirahalahiana  amin’ny  Football club Swift Hesperange 1 ère division ao Luxembourg ny Barea ny volana oktobra 2020. “Mety ny alin’ny 11 oktobra na andron’ny 12 oktobra 2020 no hanatanterahana izany. Ny federasiona no handray an-tanana ny fikarakarana na ara-taratasy izany”, hoy hatrany i Andriamanampisoa Alfred. Nohamafisin’i Nicolas Dupuis fa ao anatin’ny fitandroana fepetra ara-pahasalamana no hanaovana ity fanazaran’asa ity. Nambarany ihany koa ho fampivondronana ny ekipa, ho fandraisana ireo mpilalao vaovao, ho fanomanana ny mpilalao hiasa hiaraka ny lalao atao any Luxembourg. Marihina fa ny 9 ka hatramin’ny 17 novambra 2020 ny lalao mandroso sy miverina hifandonan’ny ekipam-pirenena Malagasy sy ny Côte d’Ivoire ho an’ny fifanintsanana CAN 2021.

Nirina R.


One comment on “KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF : Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis

  1. Pingback: KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF : Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *