Socio-eco

KERE: Anisany nanome famatsiambola betsaka indrindra amin’ny fanampiana ny mponina any Atsimo i Frantsa


Nahazo famatsiambola goavana avy amin’i Frantsay ny ratsamaingakan’ny  firenena mikambana misahana ny sakafo (PAM) ny taona 2022 ho fanohanana ny asa maika, ny fampisakafoana an-tsekoly, ny tohana ara-tsakafo ho an’ny mponina any Atsimon’i Madagasikara. Mitentina 2,3 tapitrisa Euro izany tao anatin’ny telo taona farany. “Misaotra an’i Frantsa izahay amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fandraisaina anjara amin’ny fanohanana ny antoka ara-tsakafo sy fanjariantsakafo any Atsimon’i Madagasikara”, hoy i Pasqualina Di Sirio, Tale misahana ny PAM eto Madagasikara. Nambarany fa “ny antontan-kevitra azo teny an-kianja dia mampiseho fa mihatsara ny  lafiny fanjariantsakafo noho tohana natao saingy  tsy maintsy tohizana ny fanampiana ny maha olona ho fanohizana izany fanatsarana izany.  Tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa MIARO dia nahazo famatsiambola mitentina 1,5 tapitrisa ny PAM ny volana aprily 2022 ho fandraisana an-tanana sy fisorohana ny tsy fanjariantsakafo mitarazoka any Atsimo ho an’ireo zaza mandritra 1000 andro voalohany amin’ny fiainany. Hatramin’ny volana oktobra 2022 dia nahavita nizara sakafo be otrikaina isam-bolana, ho an’ny zaza enim-bolana ka hatramin’ny 23 miisa  22 676 sy vehivavy bevohoka na mampinono  miisa 22 862 ny PAM. Tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa MIARO, tohanan’ny fanjakana Frantsay ihany koa no nahafahana nametraka zaridaina fambolena legioma mirefy 2 800 metatra tora-droa.  Namidy  tamin’ny mpiara-monina na nozaraina ho an’ny fampisakafoana an-tsekoly  ny vokatra azo tamin’izany ho fampiharana ny sakafo miovaova.

Mila hamafisina ny fanohanana

Tafiakatra  4,5 tapitrisa euro ny totalin’ny tetibola nampiasain’ny PAM nandritra ny telo taona farany ka anisany mpanampy ara-bola fototra i Frantsa. “Faly izahay nanavao ny fandraisana andraikitra amin’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo.  Manohana tanteraka ny ezaka atao amin’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo midona amin’ny mponina Atsimo izahay amin’ny alalan’ny fanohanana ny PAM  sy ireo fikambanana (ONG) sy manam-pahefana eny ifotony”, hoy i Arnaud Guillois, Ambasadaorin’i Frantsa miasa eto Madagasikara, nandritra ny fitsidihana nataony, niaraka tamin’ny PAM tany Ambovombe sy Amboasary  ny 28 ka hatramin’ny 30 novambra 2022.

Ahitana tahana tsy fanjariantsakafo mitarazoka ambony, fahatarana amin’ny fitomboana ary tsy fahampiana otrikaina  any Atsimon’i Madagasikara, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny PAM. Na dia eo aza ny ezaka efa vita dia mila hamafisina ny fanampiana ara-tsosialy ho famongorana tanteraka ny tsy fanjariantsakafo. Araka ny famakafakana farany momba ny antoka ara-tsakafo (IPC) dia 2,2 tapitrisa ny  olona  ahiana ho tatrin’ny tsy fahampian-tsakafo mandritra ny vanim-potoanan’n maitso ahitra izay nanomboka ny volana novambra teo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *