Web doc

Kely toy ny ahoana no atao hoe kely loatra? Ny ho avy ankamantatry ny zara-alan’i Madagasikara


Ankafobe, Madagasikara – Raha vao nilaza tamin’ireo mpiara miasa taminy tany amin’ny Missouri Botanical Garden i Jean Jacques Rasolofonirina fa mbola misy gidro monina ao amin’ny alan’Ankafobe dia tsy nisy nino azy. Tsaroany fa nisy iray tamin’ireo nilaza taminy fa “kely loatra ilay ala”, 27,76 hekitara raha ny marina kokoa, mizara telo, ary lehibebe kokoa noho ny trano telo na efatra any amin’ny tanàna’i New York monja izany habeny izany.
Ireo lohasaha rakotra hazo mifanetinety ireo anefa dia mbola ahitana karazana gidro telo, vorondolo, sahona, ary ramanavy ihany koa. Notanisain’i Solofo, izay no iantsoan’ny namany sy ny mpiara miasa aminy azy, ny anaran’ireo biby ireo amin’ny teny Latina, rehefa nihazo ny làlan-kely miditra ny ala izy ireo ary niala avy tamin’ny làlan-dehibe. Nijanona mba haka tahaka ny feon’ny “Malagasy paradise flycatcher” (Terpsiphone mutata) izay nipetraka tamin’ny sampan-kazo teo akaiky teo izy, ary nanondro ireo zanakazo novolena namenoana ny toerana nangadihady kely nanakaiky ny renirano.
Rehefa afaka minitra vitsy dia nanondro hazo iray miolakolaka sy efa lanaky ny rivotra izy, manana sampana malamalama miloko volondavenina ary ravina madinika malama toy ny misy savoka, izay tery amoron’ala. “Io”, hoy i Solofo “no antsoina hoe sohisika”, na “Schizolaena tampoketsana,” iray amin’ireo karazan-javamaniry tsy fahita firy eto ambonin’ny tany, afatsy eto amin’ity tampoketsa ity, ao amin’ny distrika iray avaratra andrefan’Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara.

RMooreGerety_Small_82

Maro amin’ireo hazo lehibe indrindra ao amin’ny faritra voaro no tsy niverina tamin’ny laoniny taorian’ny fahamaizany tamin’ny 2014. Sary nalain’i Rowan Moore Gerety ho an’ny Mongabay.

Ny hazo Sohisika efa lehibe, izay eo ho eo amin’ny 200 hatramin’ny 300 isa dia voalaza fa ahiana mafy ho lany tamingana. 15 amin’izy ireo fotsiny no ao Ankafobe, izay narovana nanomboka tamin’ny 2005 ary natao ivon’ny faritra arovana mirefy 150 hekitara. Tohanan’ny Missouri Botanical Garden (MBG) izany faritra arovana izany ary efa an-dàlana ankehitriny ny fampidirana azy ho anisan’ny Faritra Vaovao Arovana, araka ny lalàna.

Ireo Sohisika hafa kosa dia mizarazara any amin’ireo tampoketsa manodidina ny faritra arovana, ary eny amin’ny ahi-maitso izay manamarika ny fizaràna amin’ireo vohitra manodidina, izay samy faritra tsy arovana ary mety ho tratran’ny doro-tanety hatrany amin’ny vanim-potoan’ny main-tany. Hatramin’ny taona 2014 dia mbola nisy hazo 50 hafa tazana tany amin’ny kilaometatra maromaro miala ny faritra tantanan’ny fikambanana ao Antananarivo, antsoina hoe “Madagasco-Environnement.” Ny sary nalaina tamin’ny zanabolana vao haingana anefa dia maneho fa ny lohasaha nahitana ireo sohisika ireo dia saika ngazana avokoa.

Rehefa niantraika tamin’ny alan’i Madagasikara ny fahapotehana vokatry ny fanapahana ny hazo, ny famokarana arina, ary ny fanalana ireo hazo mba hampiasana ny tany ho faritra azo ambolena, dia nilatsaka hatrany amin’ny efapolo isan-jato ny tontalin’ny velaran’ny ala teo amin’ny firenena. Mbola nitombo haingana kokoa anefa ny fizarazarana ireo ala sisa tavela. Teo anelanelan’ny taona 1950 sy 2000 dia nahitana fihenana valopolo isan-jato teo amin’ny faritra rakotry ny ala mikitroka, izay hita eny amin’ny iray kilaometatra miala ny moron’ala akaiky indrindra farahafakeliny, izany dia tranga fahita any amin’ny ala manerana izao tontolo izao.
Ny vokatr’izany dia ny fizarazaran’ireo fonenana sisa tavela ho an’ny karazam-biby sy zava-maniry ahiana ho lany tamingana manerana an’i Madagasikara, ary ny ezaka ataon’ireo mpiaro ny tontolo iainana mba ahitana vahaolana tsara indrindra hiarovana izay ambiny sisa tavela.

RMooreGerety_Small_Map

Sarin-tany nalaina tamin’ny google Maps.

“Ny fahapotehan’ny ala ao aminy no loza goavana atrehan’i Madagasikara,” hoy i Stuart Pimm, manam-pahaizana momba ny “biology of fragmentation and extinction” (fandalinana momba ny zara-ala sy ny faharinganan’ny zava-manan’aina ao aminy), izay mampianatra ao amin’ny Duke University ao Carolina Avaratra. “Rehefa miditra ny resaka zara-ala dia misy vaovao ratsy voaresaka, ary avy eo dia misy vaovao ratsy kokoa, dia mbola misy vaovao ratsy kokoa noho izany.”

Rehefa mihena ny velaran-tany rakotra ala, hoy ny fanazavan’i Pimm, dia miova ihany koa ny refi-tany fototra, ka lasa lehibe kokoa ny “morony” na ny faritra manodidina ny hekitara tsirairay avy rakotra ala. Mitovy amin’ny zava-mitranga rehefa misy ankizy iray manety ravin-taratasy ho lasa tapatapaka taratasy ihany izany. Rehefa mitombo isa ny moron’ala dia mora kokoa ho an’ny mpihaza ny mahazo ny hazany ao amin’ny fiereny, lasa mora hiaran’ny voka-dratsin’ny hain-tany ireo hazo manamorona ny ala, ary manome laka ny doro tanety any amin’ny ala izay tsy tokony ho tratran’ny afo.

Asio madagascariensis

Vorondolo lava sofina eto Madagasikara, antsoina hoe Asio madagascariensis, nahita rantsan-kazo nipetrahana.

“Na kely, na tsy misy”

“Tsara kokoa hatrany ny lehibebe kokoa,” hoy i Chris Birkinshaw, filohan’ny mpanao fikarohana momba ny zava-maniry (botaniste) ao amin’ny MBG’s Madagascar Program tamin’ny Mongabay, “kanefa tsy manan-tsafidy ianao indraindray: Na kely, na tsy misy, ary izany tokoa no tranga fahita any amin’ny faritra sasany eto amintsika.”
Ny sasany amin’ireo zava-manan’aina sy zava-maniry miparitaka amin’ny toerana tena voazarazara indrindra ao Madagasikara dia anisan’ireo tandidomin-doza indrindra maneran-tany. Tamin’ny dongom-pasika manamorona ny sisin-tanin’i Madagasikara efa hatry ny ela no nanirian’ireo ala maitso mandavan-taona sady nitomandavana tamin’ny ilany atsinanan’ny nosy iray manontolo iny, ary nirefy roa mailo na mihoatra izany mihitsy aza ny sakany, ary 1.000 mailo kosa ny lavany. Ankehitriny, hoy i Birkinshaw, “Saika efa ringana avokoa izany karazan-java-maniry izany: tsy misy ampahany amin’ireo faritra mizarazara, lehibe noho ny roa arivo hekitara ankehitriny intsony.” Mbola vinavinain’ireo mpanao fikarohana fa ao anatin’ny latsaky ny iray isan-jato amin’ny fizaran-tany iray, misy ireo ala maitso mandavan-taona, no ahitana ny telo ambin’ny folo isan-jaton’ny karazan-javamaniry ao amin’ny nosy.
Niha-kely bitika ihany koa ny velarana misy ireo ala manintsan-dravina maniry any amin’ny tany mafana any andrefan’ny nosy sy any afovoan-tany. Io fahasimbana miandalana io kosa dia nifanindran-dalana tamin’ny tantara manokana momba ny fivoaran’i Madagasikara (nahitana natiora isan-karazany tsy nananan’izao tontolo izao nandritra ny 50 tapitrisa taona mahery), ka nampitomboana ny isan’ireo karazam-biby sy zava-maniry isan-tsokajy, izay tsy dia fantatra firy. Ny sasany amin’izy ireny dia hita teo amin’ny velarana kely, iray mailo tora-droa (1,6Km2). [pdf]
Roapolo taona lasa izay no nanomboka namolavola fomba fiarovana azy ireny, niaraka tamin’ny fikarohana nataony tao Madagasikara ny manam-pahaizana ao amin’ny Missouri Botanical Garden. “Rehefa nieritreritra izany izahay dia mahaliana ny ONG rehetra ao Madagasikara ny ala be velarana izay mila famatsiam-bola (be dia be),” hoy ny fanazavan’i Christian Camara, lehiben’ny MBG any an-toerana. Maro amin’ireo zava-maniry sy biby miavaka maneran-tany anefa no mbola ivelan’ny faritra arovana ao Madagasikara. “Tsapanay fa any anatin’ireny fizarazarana ala kely ireny dia misy karazan-java-maniry tena sarobidy kanefa tsy misy olona mikarakara azy ireny,” hoy izy.
Toerana 78 no voatanisa tao anatin’ny lisitra nivoaka avy tamin’ny fandalinana nataon’ny MBG momba ny laharam-pahamehana ho fiarovana ny zava-maniry ao amin’ny nosy, tamin’ny taona 2000. Antsasak’ireo 78 ireo ankehitriny no tafiditra ao amin’ny faritra arovana izay efa nisy hatrizay na vaovao, ary toerana 12 ao anatin’izany no hiandraiketan’ny MBG. Tsy misy fiarovana manokana mifandraika amin’ny tontolo iainana kosa ny antsasany sisa tavela, ary iray farafahakeliny no efa rava. Somary lehibe ihany ny velaran’ny sasany, ny toerana lehibe indrindra hiadidian’ny MBG dia maherin’ny 75,000 hekitara; ireo toerana tsirairay ireo anefa, indrindra ny toerana kely indrindra toa an’Ankafobe, dia natao ho karazana vakoka ara-boajanahary fotsiny ihany.
“Raha te hamantatra ianao hoe toy ny ahoana io ala io teo aloha, dia izao hitanao izao ihany no azo ambara,” hoy i Birkinshaw. “Raha kely io ala io, dia kely hatrany, ary ny mety ho fahatezany dia miankina betsaka amin’ny fahafahanay miditra an-tsehatra amin’ny fiarovana azy.”
“Azo antoka fa hiditra an-tsehatra amin’ny ny fikarakarana ny fambolena izahay, izany hoe hitantana araka izay tratra, raha izay no ilaina dia izay no ataonay, raha mahazo famatsiam-bola ho amin’izany izahay,” hoy izy nanampy.

Mametraka fihaikana ihany koa ny faritra midadasika izay arovana: ny fampitaovana eo amin’ny fandehanana any amin’ny toerana mitoka-monina, ny drafitra ara-politika mipetraka ho fanatrarana ny tombotsoa manokana ho an’ny vondrona maro samihafa, ary ny vola ilaina amin’ny fikarohana isan-karazany na drafitra ho fampandrosoana ireo faritra ambanivohitra midadasik’i Madagasikara.
“Arakaraky ny maha-lehibe ilay toerana no maha-betsaka ny olona hiandraiketana ao aminy,” hoy i Julie Razafimanahaka, lehiben’ny Madagasikara Voakajy, izay fikambanana Malagasy miaro ny tontolo iainana, mitantana ny faritra arovana miisa fito any amin’ny zara-ala madinika. “Amin’ny ankapobeny dia mety sarotra ihany koa ny fidirana ao amin’ilay toerana iray manontolo. Ka raha tsy ampy ny enti-manana, toy ny olona sy ny vola, hikarakarana ilay faritra iray manontolo, dia mety ho be ny asa tsy ara-dalàna hitranga ao amin’izany faritra izany, ary tsy ho azonao ara-potoana ny tatitra momba ireo asa tsy ara-dalàna ireo.”
Izao no nazavain-dRazafimanahaka etsy andanin’izany: “Tsy maintsy hentitra tsara isika amin’ny fiatrehana ireo loza rehetra manambana ao amin’ireo toerana kely kokoa.” Izany ohatra no zava-nitranga tamin’ireo tatitra nataon’ireo mpanangona biby tsy fahita firy teo akaikin’ny toerana kely indrindra hiandraiketan’ny Voakajy, ala 90 hekitara akaikin’ny tanàna Tarzanville, izay nanomezana ny anaran’ilay biby tena ahiana ho lany tamingana, antsoina hoe Tarzan’s chameleon (Calumma tarzan). “Ny loza manambana rehetra dia tokony hodinihina amim-pahamatorana avokoa,” hoy izy.
“Rehefa midadasika ilay toerana dia lehibe ny olana ao aminy,” hoy i Christian Camara avy amin’ny MBG. “Rehefa kely kosa ilay toerana dia kely ihany koa ny olana eo aminy.” Kanefa ao amin’ny toerana kely toa an’Ankafobe, ny ankamaroan’ny olana rehetra dia mety ho tonga olana lehibe.

vakoana

Vakoana (Pandanus) sy “palmier” eo amin’ny heniheny kely ao anatin’ny faritra arovana. Sary nalain’i Rowan Moore Gerety ho an’ny Mongabay.

Fanakanana ny afo
Ny afo no olana lehibe ho an’i Solofo. “Mety avy amin’ireo mpamboly ny afo, mety avy amin’ny varatra, mety avy amin’ny dahalo mpangalatra omby izay manafina ny diany,” hoy izy. Mijanona mahandro sakafo eny amin’ny sisin-dàlana ireo mpitondra fiara vaventy sy mpamily fiara fitaterana indraindray, ka adinon’izy ireo ny mamono ireo vain’afo rehefa miala eo. Na izany aza anefa dia misy afo foana ihany koa ao anatin’ny vanim-potoan’ny main-tany.
Mbola mampiady hevitra ny sasany hatrany ny hoe mety toy ny ahoana ireo vohitra manodidina an’Ankafobe talohan’ny nahatongavan’ny olona voalohany tao Madagasikara teo ho eo amin’ny 2000 taona lasa. Mety efa mateti-pitranga ny firehetan’ilay toerana raha toa ka ahitra efa teo hatrizay no nandrafitra ilay toerana, araka ny eriteritry ny mpandinika maro.
“Ny olana amin’ny zava-misy ankehitriny,” hoy i Marina Blanco, manam-pahaizana momba ny gidro sy ny rajako (primatologue) izay nandinika ireo “mouse lemur” miara-monina ao Ankafobe, dia “tafahoatra loatra ny fizarazarana” ilay faritra iray manontolo.
“Ao amin’ny fonenana marefo sy mora hiaran-javatra,” hoy izy nanoratra tao anaty mailaka, “ny fikorontanana kely dia miteraka voka-dratsy lehibe, satria tsy misy toerana hanalefahana ny loza mety hitranga ary ny faharinganan’izy ireny tanteraka dia loza manambana hatrany.”
Nahavita niandraikitra an‘Ankafobe tamin’ny vola kely nanomboka tamin’ny taona 2005 i Solofo sy ny fikambanana notarihiny, ny VOI Sohisika, nandray an-tanana ny toerana fikarakarana ireo zanak’hazo ho an’ny karazana zava-maniry teo an-toerana ary nanao aro afo teo amin’ny tampon’ireo vohitra manodidina ireo zara-ala kely telo. Niha-nitombo miandalana ny isan’ireo mponina avy teo amin’ny tanàna manodidina izay niara-niady tamin’izy ireo satria hitan’izy ireny ny riaka nameno ny tanimbariny ary ny fahamainan’ny loharanony noho ny tsy fisian’ny hazo amin’ny sisin’ny renirano. Raha olom-bitsy ihany no tao anatin’ny fikambanana tany am-boalohany, izany hoe dimy ambin’ny folo isan-jaton’ny mponina teo amin’ny manodidina; ankehitriny izy ireo dia efa maherin‘ny 300, ka maherin’ny 90 isan-jaton’ny lehibe dia avy eo amin’ny fokontany eo an-toerana, izay rafitra ara-panjakana kely indrindra ao Madagasikara.
Monina any amin’ny toerana mandalo an’Ankafobe i Fara Rajajarohavana, miaraka amin’i Maxim vadiny sy ny zanany. Niala tany Ambositra izay toerana niaviany izy ireo, mba hitady tany malalaka kokoa hambolena tamin’ny taona 2001. Rehefa niverina tany an-tranony i Maxim dia nilaza fa, “Tsy niova ny tany fa ny olona no nihamaro.” Nitazana ireo zara-ala tamin’ireo vohitra manodidina nopotehan’ny afo tsikelikely izy ireo tamin’ireo taona voalohany naha-teny akaikin’Ankafobe azy, ary avy eo niditra tao amin’ny VOI Sohisika taoriana kelin’ny niforonan’ny fikambanana
“Lasa mpikambana ao amin’ny fikambanana izahay ho an’ny hoavin’ny zanakay,” hoy i Fara. “Satria raha ringana ny ala dia tsy misy rano intsony, ary ho mahantra ny zanakay.”

Maxim sy Fara Rajajarohavana, afovoany, miaraka amin’ny ankohonany ao an-trano, teo akaikin’Ankafobe. Sary nalain’i Rowan Moore Gerety ho an’ny Mongabay.

Maxim sy Fara Rajajarohavana, afovoany, miaraka amin’ny ankohonany ao an-trano, teo akaikin’Ankafobe. Sary nalain’i Rowan Moore Gerety ho an’ny Mongabay.

Namboly voa ahazoana zana-kazo miisa 45.000 tao amin’ny toerana fikarakarana zana-kazo tao Ankafobe ny mpikambana ao amin’ny VOI Sohisika tamin’ny taona lasa, ho tohin’ny asa natao tao anatin’ny folo taona, hanitarana ireo zara-tany maitso ho amin’ny vohitra manodidina ary hampifandray azy ireny amin’ny zara-tany hafa indray. Namboly zavokà sy voasary izy ireo hahazoana vokatra hanohanana ara-bola ny ezaky ny fikambanana amin’ny famerenana amin’ny laoniny indray, ary hazo madinika mora maniry ihany koa (Tephrosia vogelii sy Crotalaria retusa) atao zezika ho an’ny zava-maniry eo an-toerana.  Namboly zanaka Sohisika maherin’ny 3.000 izy ireo izay hampitombo ny isan’io hazo io indray, hoy i Solofo.

Saika ny antsasaky ny asan’izy ireo no rava noho ny andro vitsivitsy nandrivotra tamin’ny faran’ny volana Oktobra tamin’ny taona 2014. Rehefa niampita ny renirano Manankazo ny doro tanety ary nananika ny sisin’Ankafobe, dia mpikambana roanjato avy tao amin’ny fikambanana no niandry niaraka tamin’ny ravina maitso sy rano anaty siny teo amin’ny vohitra mba hamono ny afo. Fotoana fohy ihany anefa no nahafahan’izy ireo nihazona izany, tamin’ny fiafaran’ny herinandro dia namotika ireo zana-kazo novolen’izy ireo teo anelanelan’ny taona 2008 sy 2013 ny afo, niaraka tamin’ny ala sivy hekitara.

Toa tsio-drivotra nahakivy izany. “Toa tsy te hanohy intsony izahay tamin’ny voalohany,” hoy i Maxim Rajajarohavana. “Nahazo fanantenana anefa izahay rehefa niverina namboly ala indray, ary nahita ny asan’ireo mpikambana hafa ao amin’ny VOI, sy ny fivoarana natao taorian’ny taona 2014,” hoy ihany izy.

Namakivaky ny kirihitra tamin’ny sisiny manodidina ny ala i Solofo tamin’ny volana Jolay ary nanondro vatan-kazo miendrika kalom-pody amin’ireo hazo lehibe indrindra amin’ny zara-ala sasany. “Hitanao ve ireo hazo be maty ireo?” hoy izy, sady mandinika ny fahasimbana. “Vokatry ny afo ireo.” Ao ambadik’ireo dia misy antsana feno tany mena be, izay manamarika ny fihotsahana miisa fito nitondra tanimanga sy vato tao amin’ny fototry ny antsana, taoriana kelin’ny fotoana nitrangan’ny afo.

Nanomboka teo ny mpikambana ao amin’ny VOI Sohisika dia nampitombo avo roa heny ny ezak’izy ireo amin’ny fametrahana dieny mialoha sinibe misy rano ary fambolena zava-maitso izay antenain’i Solofo fa afaka atao aro afo. Manao aro afo eo ho eo amin’ny efatra ambin’ny folo mailo izy ireo isaky ny manomboka ny vanim-potoan’ny main-tany, izay atao tànana amin’ny alalan’ny fampiasana angady hisorohana làlan-kely roa, mba tsy hisy zava-maniry na ny kely aza eo amin’izany lalana izany, ary dorana ny ahitra eo ho eo amin’ny iray metatra manelanelana azy roa ireo. Izany no vidin-katsembohana efain’ny mpikambana ho an’ny fikambanana. Manome tan-tsoroka 5.000 ariary, izany hoe 1,60 dôlara eo ho eo ny MBG ho an’ny asa iray andro, ary ny mpikambana tsirairay avy kosa dia manolotra ny folo isan-jato amin’izay raisiny, ho an’ny fikambanana VOI Sohisika. Mandany eo ho eo amin’ny ampahatelon’ny teti-bolany ao anatin’ny heritaona, izany hoe 3500 dôlara, ny fanaovana aro afo, hoy i Solofo. Ny ambiny kosa dia handoavana ny karaman’ireo mpiambina mandeha tsiroaroa amin’ny vanim-potoan’ny main-tany, sy ireo mpiasa roa miandraikitra ny fambolena izay miasa isan’andro, sy Solofo, ary ireo mpikaroka mpanampy miasa miaraka amin’ny MBG amin’ny fanangonana antontan’isa momba ny “écologie.”

Mijoro eo amoron’ny zara-ala iray izay may tanteraka tamin’ny taona 2014 i Jean Jacques Rasolofonirina sady manondro ilay tany nihotsaka vokatry ny fahapotehana nentin’izany hatramin’io fotoana io. Sary nalain’i Rowan Moore Gerety ho an’ny Mongabay.

Mijoro eo amoron’ny zara-ala iray izay may tanteraka tamin’ny taona 2014 i Jean Jacques Rasolofonirina sady manondro ilay tany nihotsaka vokatry ny fahapotehana nentin’izany hatramin’io fotoana io. Sary nalain’i Rowan Moore Gerety ho an’ny Mongabay.

Manambatra ny zara-ala ho tonga iray

Izao no zavatra mety hitranga, izay sady manetsika izao asa izao no mety hitarika ho amin’ny fihatoany ihany koa: raha toa ka mitohy ny doro-tanety dia mety ho latsaka ambany noho ny fetra fototra ahafahan’ny zava-manan’aina mivelona ny kalitaon’ireny zara-ala ireny.
Na ireo fizarana mba midadasika aza dia hiharan’ny atao hoe “paupérisation” (miha-ngazana tanteraka), izay dingana mitarika ho amin’ny toeram-ponenana mitokatokana ka very hatramin’ny tena zava-manan’aina ao aminy rehefa mandeha ny fotoana, noho ny afo, ny fihazana, ny fahavitsian’ny biby afaka mivady satria efa mifampiditra be ny ràn’izy ireo, na ny fahapotehany miandalana amin’ny endriny hafa. Samihafa ny fomba fiatrehan’ny karazan-java-maniry sy biby izany olana izany, kanefa i Pimm, izay manam-pahaizana manokana momba ny fahalaniana tamingana kosa dia niteny fa mety ho fotoana fohy sisa no ahaveloman’ireo karazam-biby sisa tavela ao amin’ny zara-ala kely toa an’Ankafobe.
I Pimm dia niara-nanoratra fandalinana maro momba ny fanandramana natao nandritra ny fotoana naharitra indrindra teto amin’ny planeta, momba ny zara-ala ao amin’ny Amazona Brezilianina, izay nanaovan’ny “biologiste,” Thomas Lovejoy, fandinihana momba ny zara ala iray, folo, ary zato hekitara nanomboka tamin’ny 1980. “Raha ireo karazam-borona no resahana, izay tena hainay tsara,” hoy i Pimm nanazava, “dia mety very ao anatin’ny roa na telo taona ny ankabeazan’ny karazam-borona ao amin’ny zara-ala iray hekitara, ao anatin’ny folo taona ny an’ny folo hekitara, ary mety ho 10 na 20 na 30 taona eo ho eo ny an’ny 100 hekitara. Mila zara-ala mahatratra 10.000 hekitara any ho any izay vao mety afaka hihazona ireo karazana biby ireo mandritra ny fotoana maharitra.”
“Ary izany no antony nanamafisanay tao anatin’ny lahatsoratra navoakanay vao haingana fa ny fampitambarana ireo zara-ala ireo indray no anisan’ny vahaolana tena mahomby sady tsy mandany vola indrindra ho an’ny resaka fiarovana, satria tonga dia mampihena avy hatrany ny tahan’ny faharinganana izany,” hoy ihany i Pimm
Izany lahatsoratra izany dia nosoratana araka ny asa nataon’i Pimm niaraka tamin’ny fikambanana any Etazonia antsoina hoe Saving Species, tany amin’ny ala manamorona ny sisin-tany any amin’ny faritra avaratr’i Rio de Janeiro, Brésil, hambolena ala mitomandavana izay mampifandray ireo zara-ala sisa tavela, toeram-ponenan’ny “Golden lion Tamarin” (Leontopithecus rosalia) izay ahiana ho lany tamingana. Misy ezaka tahaka izany ihany koa efa atomboka any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara, ka ny Madagascar Biodiversity Partnership ao Antananarivo no hanao izay hisian’ny ala mitomandavana mirefy efatra mailo sy tapany (7,5km eo ho eo) hampifandraisana ireo zara-ala any amin’ny lemaka rakotra ala mikitroka ao Atsinanan’ny Valam-Pirenena Ranomafana.

I Méthode Andriamerimandamina, eo ankavia, sy Landry Ferdinand Ramerina dia mpiambina ao amin’ny fikambanana VOI Sohisika, mitety ireo vohitra manakaiky ny alan’Ankafobe miambina ny doro-tanety mandritra ny vanim-potoan’ny main-tany. Sary nalain’i Rowan Moore Gerety ho an’ny Mongabay.

I Méthode Andriamerimandamina, eo ankavia, sy Landry Ferdinand Ramerina dia mpiambina ao amin’ny fikambanana VOI Sohisika, mitety ireo vohitra manakaiky ny alan’Ankafobe miambina ny doro-tanety mandritra ny vanim-potoan’ny main-tany. Sary nalain’i Rowan Moore Gerety ho an’ny Mongabay.

Fahiny dia noheverina fa nifampitohy tamin’ny ala mitsitokotoko izay nampifandray azy sy ny Valan-Javaboary Manokan’Ambohitantely, i Ankafobe, izay any amin’ny fito mailo (11Km) miankandrefana, ary ahitana ny sasany amin’ireo ala mikitroka sisa tavela ao afovoan-tanin’i Madagasikara.

Tamim-pifaliana tokoa no niresahan’i Solofo momba ny làlana voalamina ho an’ny mpizahatany sy ny Malagasy mpitsidika, izay miala amin’ny arabe ary mihanika ho any amin’ny korian-drano any amin’ilay tendrony farany amin’ilay valan-javaboary..

Na izany aza anefa dia tombony iray amin’ny zara-ala mitsitokotoko, mihoatra noho ireo ala lehibe kokoa, ny fahamoran’ny fahafahana miditra ao aminy.

“Aza adino,” hoy i Chris Birkinshaw avy ao amin’ny MBG, “fa mety mbola tsy nahita gidro tany an’ala ny ankamaroan’ny Malagasy.” Eto kosa anefa dia mbola afaka mahita gidro ihany izy ireo ao anatin’ny làlana latsaky ny adin’ny telo miala an’Antananarivo. “Mendrika ho tanterahana ny tombotsoa hanamafisana ny fifandraisan’ny Malagasy amin’ny lova ara-boajanaharin’izy ireo,” hoy izy, “satria raha tsy tanteraka izany dia tsy hamiratra ny ho avy n’aiza n’aiza ao Madagasikara.”

Milaza i Solofo fa mbola mahatadidy ny fotoana nitambaran’ireo zara-ala telo ao amin’ny faritra arovana ireo ny zokiolona indrindra monina ao Andranofeno, avaratr’Ankafobe. Mbola misy ny fanantenana fa mbola ahita azy ireo mitambatra indray ny zandriolona indrindra raha mitohy ny asan’ny VOI Sohisika.

Nosoratan’i Rowan Moore Gerety ( Mongabay.com )
Dika teny : RATSIMBAZAFY TCHIOURSON Manoa Fifaliana
Nangonin’i Nirina RAKOTOMIARINTSOA


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *