Socio-eco

KAOMPOSTA SY SARIBAO BOZAKA : Afa-po ny mpiofana


Tsy nanenina sady nahatsiaro tena ho tsy maty antoka ireo tonga niofana teny amy FOFIKRI/FFPM Ilafy nitrandraka ny teknika fanaovana kaomposta (zezika nohatsaraina) sy saribao bozaka (saribao azo avy amy fakon-javamaniry).

          Delire FOFIKRI00

Mora voaray ny lesona ary mora hay ny fampiarana

Rabenantenaina Solofosoa José, Mpiandraikitra ny tontolo iainana ao amy ny Akany Avoko (FFPM) Ambohidratrimo no nisahana ny fampianarana (teôria sy pratika). Ny fikendren’ny FFPM amin’io fiofanana io dia zava-droa loha: ny fitsinjovana ny tsy fahapotehan’ny ala amy fitrandrahana harina (charbon de bois), ary koa ny fitsinjovana ny tetibolan’ny isan-tokantrano hihamaivana amy fividianana saribao fampiasa andavanandro. Voafehin’ireo mpiofana avy hatrany ny lesona nomena tambony latabatra raha vao nirotsaka nanao pratika. Ankoatra ireo avy eto an-drenivohitra sy manodidina akaiky, dia nisy avy lavitra raha nandre ny fanasana tamy ny onjam-peo. Vehivavy roa nandeha moto avy any Miarinarivo, ary lehilahy manana fahasembanana iray nandeha an-tongotra sy bisikileta avy any Ambohitompoina namonjy an’Antanifotsy haka taxi-brousse ho aty an-drenivohitra.

Satria afaka 15 andro vao ho masaka ny kaomposta narafitra, koa dia navela ho ampiasain’ny FOFIKRI FFPM Ilafy izany. Ny saribao bozaka vokatry ny fampiarana kosa dia samy nitondra mody ny mpiofana.

Razaka Oliva

                           Delire FOFIKRI01

Rabenantenaina Solofosoa José, Resp. Environnement Akany Avoko

 

                                                  Delire FOFIKRI02

                                                Afa-po ny mpiofana tamy fanazavana

 

Delire FOFIKRI03

Miandahy miambavy nirotsaka nanao pratika

 

                                             

                                         Delire FOFIKRI04

                                         Avadika ny kaomposta afaka 15 andro

 

               

        Delire FOFIKRI05

Toy izao kosa ny lavaka famoronana “carbone”

 

                           Delire FOFIKRI06

                         Ahilika anaty lavaka ny ravina may

 

                         Delire FOFIKRI07

Afangaro sy volavolaina ary terena ahazoana ny vainga ilaina

 

                        Delire FOFIKRI08

Izao no vokatra azo, maina afaka roa andro dia azo ampiasaina

 

Delire FOFIKRI09

Afa-po ny olona manana fahasembanana avy any Ambohitompoina

 

Delire FOFIKRI10

Handeha hody ny androtr’io ihany ny avy any Miarinarivo

 

Sary: Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *