Socio-eco

KAOMININA BONGATSARA : Nipaka tamin’ny vahoaka ny tamberinandraikitra


Notanisaina nandritra ny fankalazàn’ny kaominina Bongatsara ny fetim-pirenena Malagasy ireo asa vita. Foto-drafitr’asa maro no tontosa ka anisan’izany ny fanamboarana ny hopitaly. Ahitana toeram-pandidiana io hopitaly vaovao io. KAOMININA BONGATSARA 4“Ny fitondram-panjakana no namatsy vola tamin’ny fanamboarana izany ary ezaky ny kaominina manokana kosa ny fampidirana jiro sy rano”, hoy ny Ben’ny Tanana an’ny kaominina Bongatsara, Hanta Rabearisoa nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena ny 26 jona 2018, tao amin’ny tokontanin’ny biraon’ny kaominina ihany. Ankoatra izany, “pompe manuelle” 14 isa no vita noho ny fanampian’ny ministeran’ny rano, ny fahadiovana sy ny fidiovana. Nahazo izany ireo vohitra ao amin’ny kaominina toy ny ao Ambohibao, Bemasoandro, Antsahabe…

1000 Ariary ny saram-pianarana

KAOMININA BONGATSARA 3Noho ny fiarahamiasan’ny kaominina Bongatsara sy ny fikambanana “association échange et partage”, mianatra ara-dalàna ny zanaky ny kaominina. Amin’ny maha fikambanana misahana amin’ny sehatry ny fanabeazana azy dia efitranon-tsekoly miisa folo no nanamboarin’ny fikambanana tao amin’ny fokontany Antsahabe. Zaza 280 no mianatra ao amin’izao fotoana izao. “Zanaky ny mponina ao amin’ny kaominina Bongatsara sy ny zanak’ireo mipetraka ao amin’ny “village Antsahabe” no mianatra amin’ireo efitranon-tsekoly ireo”, hoy ny tomponandraikitry ny “association échange et partage”, Laurent Thebeault.
Feno 15 taona katroka amin’ity taona 2018 ity no niasan’ny fikambanana tamin’ny sehatry ny fampianarana tao amin’ny Bongatsara. Ny 27 aprily 2018 no nankalazaina izany. Nisy ny fandraisana an-tànana ireo fianakaviana sahirana miisa 136 teny amin’ny lalam-by ka voaraoka. Nafindra teny amin’ny “Village Antsahabe”, kaominina Bongatsara izy ireo ny voalohany ny volana aprily 2003. Noho ny fiarahamiasan’ny “fondation Abbé Pierre” sy ny fikambanana Famonjena, nahazo ny trano fonenana sahaza ireto fianakaviana ireto. Nanamboatra efitranon-tsekoly nianaran’ny zanak’izy ireo kosa ny fikambanana “association échange et partage”. Manodidina ny 1000 Ariary ka hatramin’ny 3000 Ariary ny saram-pianarana aloan’ny ray aman-drenin’ireto mpianatra mipetraka ao amin’ny “Village Antsahabe”. 2500 Ariary kosa ny saram-pianarana efain’ny ray aman-drenin’ireo zaza sahirana ao amin’ny kaominina Bongatsara. Hatramin’izay, latsakemboka sy fanampian’ny malala-tànana no nahafahan’ny “association échange et partage” niasa hatramin’izay. Ny fikambanana ihany anefa no mandoa ny tambin-karaman’ireo mpampianatra miisa 13.

Tobin-tsolika

KAOMININA BONGATSARA 8Niteraka resabe tao Bongatsara fa hisy ny fametrahana orinasa hanodina akora simika ao amin’ny kaominina. Nohazavain’ny Ben’ny Tànana, Hanta Rabaerisoa fa ny “logisitique pétrolière” no hametraka tobin-tsolika ao amin’ny kaominina tahaka ny eny Ankorondrano sy Paraky. “Tsy hitera-doza ny mponina izany fa vao maika aza hitondra fampandrosoana”. Tombontsoa maro no notanisainy toy ny fanamboaran-dalana, fampidirana jiro sy ny maro hafa. Tetikasasan’nyministertan’ny asa vaventy sy ny fampitaovana, ny ministeran’ny fanajariana ny tany izy ity.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *