Socio-eco

Kaominina Ampitatafika: Mikarakara fetim-bahoaka maimaim-poana


Efa mipetrapetraka ny fanomanana ny fetim-pirenena ho an’ny kaominina Ampitatafika. Eo am-panangonana ny ho enti-manana hampifaliana ny vahoaka ny kaominina, hoy ny ben’ny tanàna, Rado Ramparaoelina. Mizara enina ny hetsika hanamarihana ny fankalazana ny fahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena. Eo ny mitabe ho ataon’ny mpianatra, ny fampisehoana ho ataon’ny antokom-pihira, ny fotoam-pivavahana, ny fampisehoana ho ataon’ny mpanakanto Stéphanie sy Jess Flavi One, ny fandefesana sarimihetsika iarahana amin’ny Scoop digital. Hisy ihany koa ny “bal populaire” ny 25 jona 2018 mandra-parain’ny andro.
Misy ny toerana voatokana ho an’ny mpiara-miombana antoka amin’ny kaominina. Nambaran’ny ben’ny tanàna fa hiezaka tsy hamoaka vola ny kaominina amin’ny fikarakarana ny hetsika rehetra. Ireo mpiara-miombona antoka amin’ny kaominina no hamatsy vola ny hetsika. Raha misy ny famoaham-bola dia kely dia kely mba tsy hampisavoritaka ny fidiram-bolan’ny kaominina sy hialàna raha sanatria ka tsy mahaloa karama dia hisy hilaza indray avy eo fa lany tamin’ny fanaovana fety ny vola. Maimaim-poana ity fetim-bahoaka ity.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *