politique

KAOMININA ALASORA: Randriantsoa Jimmy, kandida ho ben’ny tanàna tokana natolotry ny TIM


Mandeha ny feo fa manana kandida ho ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Alasora ny K25 sy KMMR. Nohamafisin’ny solombavambahoaka voafidy tao aminy distrikan’Avaradrano, avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) fa fifidianana ben’ny tanàna no atrehantsika izao. Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena no nisy ny K25 sy KMMR. Noho izany, ny TIM no nanolotra izay ho kandida ho ben’ny tanàn’ Alasora. Randriantsoa Jimmy no nankatoavin’ny antoko sy nahazo tsodrano avy amin’i Filoha Ravalomanana Marc fa kandidà ao amin’ny kaominina Alasora. Randriantsoa Jimmy - kandida ben'ny tanana alasora 1Notontosaina ny sabotsy 21 septambra 2019 teny Alasora ny fitrotroana am-bavaka sy fanomezana tsodrano an’ity kandida ity. Ny ahafantarana an’i Jimmy ny naha lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna teo aloha azy. 40 taona izy ary manambady sy niteraka telo mianadahy. « Ingénieur en génie civil » nivoaka tao amin’ny Bretagne Sud any Frantsa izy. Ka amin’ny maha teknisiana azy dia nandray anjara betsaka tamin’ny fikarohana fiarahamiasa tany ivelany sy teto an-toerana tamin’ny fampandrosoana ny kaominina Alasora i Jimmy. Nambarany fa ho tohizany ireo asa efa vita ka lohalaharana amin’izany fanazavana ny tanàna tahaka natao tamin’ireo fokontany toa an’i Ankadindratombo, Ambohipo Sud. Nilaza izy fa jiro mandeha aminy angovo azo havaozina miisa 3000 no hapetraka amin’ireo lalana mampitohy ireo fokontany mandrafitra ny kaominina. Mba hamahana olan’ny fitaterana dia tsy maintsy hampidirina ny koperativa hafa. Ankoatra izany, « averina amin’ny laoniny ny tanjaky ny rano amin’ireo borne fontaine efa misy. Hanamboarana foto-drafitr’asa mamatsy rano kosa ireo fokontany mbola tsy manana izany,hoy izy. Ao anatin’ny vinam-piarahamonina entin’i Jimmy ihany koa ny fanamboarana lalana, toy ny ao amin’ny fokontany Mahatsinjo, Ambohitrady. Raha ny lafiny fahasalamana no resahina dia ho averina ho maimaimpoana ny fampiasana « ambulance » an’ny kaominina raha sendra misy marary mila entina any amin’ireo hopitaly ivelan’ny kaominina. Mampahafantatra sahady ny vahoakan’Alasora ihany koa i Jimmy fa tsy atao ambanin-javatra ny fanamboarana sekoly, ny fiantohana ny sakafon’ireo mpianatra eny amin’ny EPP ary ny fanamboarana foto-drafitr’asa ho an’ny tanora fa indrindra ny fametrahana « post avancé » ho fampandriana fahalemana, rehefa lany ben’ny tanàna ny tenany.

Marihina fa mpanakanto ihany koa ity kandidà avy amin’ny antoko TIM ity. Mpihira tao anatin’ny tarika Tsinjo izy. Hira tena nampalaza azy ny hoe: Aleo faranana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *