Socio-eco

KANDIDA HO MINISTRA MISAHANA NY MPONINA SY SOSIALIM-BAHAOAKA: Nanatitra ny antontan-taratasiny teny Ambohitsirohitra i Haingo Paradis


“Tsy dia mahazatra ny tahaka izao, ny ankamaroan’ny maro dia miafinafina manatitra antontan-taratasy, fa tiako ho fantatry ny vahoaka fa misy olona vonona, sahy, nahavita sedra ho kandida ho ministra misahana ny mponina ny sosialim-bahoaka”, hoy i Vololomboahirana Haingotahiana  Laurence na i Haingo Paradis Madagasikara, rehefa avy nanatitra ny antontan-taratasiny ho isan’ireo kandida ho ministra, ny 22 jolay 2024, teny Ambohitsorohitra. Nambarany fa mila olom-baovao ny firenena, mila olona sahy mijoro, tsy miandry atolotry n’iza n’iza. “Manao antso avo ny Filoham-pirenena sy ny Praiministra  mba ho jerena tsirairay ny antontan-taratasin’ireo kandida fa tsy izay atolotry ny aty ambany ihany sy hijery ny dosie napetraky ny rehetra mangetaheta ho ministra na dia ilay hevitra ihany aza no henoina. Fotoana izao hihainoana ny hevitry ny tsirairay”, hoy izy. Nisafidy manokana ny ministeran’ny mponina sy ny sosialim-bahoaka ny tenany satria efa mihohoka  ny vilanin’ny vahoaka Malagasy ka maika ny fanarenana azy. “Nosafidiako manokana ny ministeran’ny mponina sy ny asa sosialy  noho ny andraikitra sy lalana nodiavina. Te hanova, te hanarina ny vilan’ny Malagasy aho, indrindra ny sosialim-bahoaka. Manana hevitra sy vina aho ka mangataka enim-bolana monja  fa hipaka any amin’ny vahoaka izany”, araka ny fanazavany. Nohamafisiny fa nisehatra tamin’ny lafiny sosialy  nandritra ny 17 taona izy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *