Sport

JEREMY MOREL: Hanatevina ny Barea


Na dia efa tafakatra any amin’ny dingan’ny famaranan’ny tompondakan’i afrika (CAN 2019) atao any Cameroun aza ny Barean’i Madagasikara dia tsy mitsahatra ny mitady ireo mpilalao manana fahaiza-manao ny mpanazatra, Nicolas Dupuis.  Hanatevin-daharina ny Barea i Jeremy Morel  mpilalao ao amin’i « Olympique Lyonnais ». Vodilaharana ny toerana misy azy ary mafy izy amin’io toerana io. Noho izany, hitondra ny traik’efany ao amin’ny ekipa-pirenena malagasy izy.

Efa nilalao tao amin’ny FC Lorient izy ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2011. Teraka tamin’ny 02 Aprily 1984 ary mirefy 1m72 izy. Nifindra tao amin’ny « Olympique de Marseille » indray izy ny taona 2011 ka nahazo ny « trophée des Champions » tamin’io taona io. Nahazo ny « Coupe de la Ligue » kosa ny taona 2012.  Nanomboka ny taona 2015 kosa izy no tao amin’ny « Olympique Lyonnais ». Efa nandray anjara tamin’ny « Ligue des Champions » ny taona 2016 sy « Europa Ligue » ny taona 2017 sy 2018. « Tsy atao ambanin-javatra ireo lalao roa farany mialoha ny CAN 2019 atao any Cameroun satria zava-dehibe eo amin’ny ara-tsaina ho an’ny mpilalao ireo lalao farany ireo. Ilaina ihany koa ny fampiankarana hatrany ny laharan’i Madagasikara eo amin’ny FIFA », hoy ny mpanazatran’i Barea Nicolas Dupuis raha nivahiny tao amin’ny fandaharana Midi Ma’nifik. Hilalao ity vodilaharan’i  « Olympique de Marseille » ity amin’ireo lalao hihaonan’ny ekipa-pirenena malagasy amin’i Soudan sy Senegaly.

24 ireo mpilalao ho entina any Cameroun ary tombony ho antsika ny fanana an’i Jeremy Morel. Mitady lohalaharana hanohana an’i Faneva Ima ny mpanazatra Nicolas Dupuis ho fanatsarana hatrany ny Barea. Manana fijery lavitra ihany koa izy satria mitady mpilalao manana traik’efa hanofana ny mpilalao eto an-toerana. Vonona hanampy amin’izany i Jeremy Morel. Marihana fa Malagasy ny rainy.

Nirina R.


One comment on “JEREMY MOREL: Hanatevina ny Barea

  1. Pingback: JEREMY MOREL: Hanatevina ny Barea - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *