Socio-eco

ISOC MADAGASCAR: Hihaino ny fitarainan’ny mpanjifan’ny aterineto


Hamory ireo mpampiasa ny aterineto, ny orinasa mpamokatra aterineto ary ny manam-pahefana mitantana ny aterineto (internet) eto Madagasikara ny fikambanana “ISOC Madagascar” (Internet Society Madagascar) sy ny Habaka. Eny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza no hanatanterahina ny fihaonana androany 15 jona 2018. Tanjon’ny hetsika ny fihainoana ny feon’ny mpanjifa izay mampiasa ny aterneto. “Aterineto inona no tena ilaintsika eto Madagasikara?”. Io no lohahevitra horesahana amin’ity fihaonana voalohany ity.
Hohenoina mandritra ny tontolo andro ny fitarainan’ny mpanjifa momba ny aterineto eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny sarany sy ny kalitaony, ny fitaovana ampiasain’ny tambajotra manaparitaka azy eto Madagasikara, ny andraikitry ny manam-pafehana eto an-toerana. Hitatitra ny fehin-kevitra mivoaka mandritra ny fihaonana any amin’ireo orinasa mpaninjara ny aterineto sy ireo ambaratonga-pahefahana misahana ny aterneto ny ISOC Madagascar aorian’ny fihaonana. Ho dinihina mandritra ny hetsika ihany koa ny firoboroboan’ny aterineto eto Madagasikara, ny voka-tsoa azo avy aminy, ny lalàna mifehy azy sy ny maro hafa, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny ISOC Madagascar, Marius Andriamparany. Mba ahafahana mampiroborobo ny sehatry ny aterineto eto Madagasikara avokoa no antony izany rehetra izany.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *