Higadona afaka roa herinandro ny Foire Internationale de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (FIA) 2025. Mampiavaka ity andiany ity ny fampiarahana azy amin’ny Festival International de la Gastronomie (FIG). Ny rojo-pihariana amin’ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono no aseho mandritra ny FIA sy ny FIG. Ho tanterahana ny 4 ka hatramin’ny 7 septambra 2025, eny amin’ny CCI Ivato ireto hetsika – karakarain’ny Mada Vision – natokana ho an’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono sy ny vokatra azo avy aminy ireto. Trano heva mihoatra ny 300 isaon hiranty eny an-toerana.
“Amin’izao fotoana vitsy mialoha ny FIA izao dia azo lazaina fa vory daholo ireo mpandray anjara ao anatin’ny sehatry ny fambolena, fiompiana sy ny jono. Hisy ihany koa fampisehoana traikefa ataon’ireo manam-pahaizana amin’ny fandrahoana sakafo. Ny zavatra hiseho eny amin’ny FIA sy FIG izany dia manomboka any amin’ny famokarana ka mandra-pahatonga azy eny ambony vilia”, hoy i Hery Andrianasolo, Talen’ny serasera ao amin’ny Mada Vision, nandritra ny fampivondronana ireo mpanohana sady mpandray anjara, ny 20 aogositra 2025, teny Andraharo.
Mampiavaka ny FIA ny fampisehoana ho tanterahan’i Samoela, ny 5 septambra 2025, manomboka amin’ny 4 ora hariva. Hisy ihany koa ny seho an-tsehatra isan-andro hampiaina an-kira ny hetsika. Mihoatra ny 10 ny fampisehoana momba ny fikarakarana sakafo ataon’ireo manam-pahaizana momba izany. Tsy adino fa hisy ny lalao momba ny sakafo ahazoana loka maro sy ny atrik’asa momba ny fikarakarana sakafo ahafahana mianatra, manadrana sy mizara.
Nanamafy i Ranaivo Rajaonarisoa Koloina, Tale jeneraly lefitra eo anivon’ny Mada Vision fa hanomezana lanja ny tantsaha mpamboly, mpiompy sy mpanjono ary ny mpanao sakafo eto Madagasikara ny FIA sy ny FIG. “Asaina ireo tantsaha te hitady fiarahamiasa amin’ireo toeram-pisakafoana na hotely handray anjara. Asaina ihany koa ireo mitady fiofanana amin’ny sehatry ny hotellerie”, hoy izy. Misokatra ho an’ny daholobe, mpianakavy, mpianatra, mpandraharaha manana tetikasa ny hetsika araka ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany.
Ra-Nirina


