Socio-eco

INDUSTRIALL MADAGASCAR: 70 %-n’ny vehivavy no iharan’ny herisetra eny amin’ny toeram-piasana


Antony telo no mahatonga ny vehivavy tsy mahasahy mitaraina. Anisany sora-baventy nolanjain’ireo sendikan’ny mpiasa, mivondrona ao amin’ny “IndustriAll Madagascar”, nanamarihana ny fetin’ny asa, ny 01 mey 2020 teo anoloan’ny Tranombokim-pirenena Anosy “ ny fangatahana ny fanasoniavana ny convention 190 an’ny OIT (Organisation Internationale du Travail). INDUSTRIALL MADAGASCAR 1Ho vonjy rano vaky noho ny hamehana ara-pahasalamana, tamin’io andro io hany koa no nizarana fanampiana (vary iray kilao, savony, sôkôla, vatomamy) ho an’ny mpiasa mpikambana ao amin’ity federasiona iraisampirenena ho an’ny mpiasa, sampana eto Madagasikara ity. Araka ny fanazavan’i Mbola Nomena, mpandrindra nasionalin’ny “IndustriAll Madagascar” fa “fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa nankatoavina tamin’ny volana jona 2019 izany hoe convention farany ao amin’ny OIT izy io, momba ny fanafoanana ny herisetra atao amin’ny vehivavy any amin’ny toeram-piasana”. Raha ny fanazavany hatrany dia 70 %-n’ny vehivavy no iharan’ny herisetra any amin’ny toeram-piasana ary tsy voatery ho herisetra ara-batana toy ny felaka fa indrindra ny ara-moraly (harcèlement moral) izay anisany mpahazo ny vehivavy any amin’ny toeram-piasana “ary tsy mifidy fa rehefa sokajin’asa rehetra dia ahitana ity tranga ity.  Eo ihany koa ny “harcèlement sexuel”.  “Izay no antony hamporisihana ny fanjakana: mba soniavo io fifanarahana io fa be dia be loatra ny vehivavy iharan’ny herisetra any amin’ny toeram-piasana”, hoy izy.

Vitsy no mahasahy mitaraina

INDUSTRIALL MADAGASCAR 2Nanazava ity mpandrindra nasionalin’ny IndustriAll Madagascar fa mahatonga ireo vehivavy tsy mitaraina ny lafiny ara-kolontsaina. “Beazina tamin’izany ny Malagasy hoe tokantrano fiafina ka na dia any amin’ny toeram-piasana aza dia tsy mitaraina”. Antony faharoa ny tahotra ho voaraoka sy valifaty ary ny fahatelo dia ny henatr’olona. Araka ny fanampim-panazavana nomeny dia federasiona iraisampirenena ho an’ny mpiasa amin’ireo sehatra isan-karazany toy harena an-kibon’ny tany, angovo, orinasa afak’haba  ny “IndustriAll Union Global”. Sendika efatra eto Madagasikara no mpikambana ao (SEKRIMA, FISEMA, USAM, SVS) ary ireo no mandrafitra ny “IndustriAll Madagascar”. Nozaraina vonjy ranovaky ho an’ireo mpiasa

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *