Sport

HVM ANALAMANGA: Nanolo-tanana ny ligy ny Analamangan’ ny “Judo


Nandray anjara amin’ny fanohanana ny mpanao fanatanjahantena ny antoko HVM Analamanga. Nanolotra vidina tapakila iray handehanan’ny mpikatroka solontenan’ny Ligy ny Judo Analamanga atsy La Réunion ny antoko. “Raha manohana ny mpanao fanatanjahantena ireo antoko politika 135 misy eto Madagasikara, ho mora amin’ireo mpanao fanatanjahantena ny fandraisana anjara amin’ireny lalao any ivelany ireny. Izany indrindra no antony nanomezan’ny HVM Analamanga solona “billet d’avion” handehanan’ny mpilalao ao amin’ny ligy ny Analamangan’ny Judo, hiatrika ny « tournoi international de la Réunion », hoy ny mpandrindra ny antoko HVM Analamanga, Ndratonomena Rakotonanahary. Tapakila efatra no mbola tadiavin’ny ligy amin’izao fotoana izao.

Nahazo birao eny amin’ny foiben’ny antoko HVM Antanimena ny HVM Analamanga. Nosokafana androany  09 febroary 2018 izany. “Hanampy amin’ny fampifandraisina ny mpikambana, ny famolavolana tetikady hanatsarana ny antoko sy ny fiainam-pirenena ny fahazoana izao birao izao”, hoy hatrany mpandrindra ny HVM Analamanga. Ao amin’io birao io ihany koa no handraisana ireo olona te hiditra ho mpikambana na hanome tanana ny antoko.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *