Sport

HAZAKAZAKA ANATY NATIORA – UTOP 2023: Hitondra ny fahaiza-manaony amin’ny sehatrin’ny teknolojia ny Orange


Lasa hetsika tsy azo ihodiviran’ny mpankafy hazakazaka anaty natiora ny « Ultra Trail des Ô Plateaux » na UTOP.   2000 mahery  no mandray anjara isaky ny andiany. Tao anatin’ny 10 taona nisiany dia mpanohana mavitrika ny UTOP ny Orange Madagascar noho fisian’ny fikambanana ara-panatanjahatena ao amin’ny orinasa (ASOM).   Tontosa ny 15 febroary 2023 ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange sy Andriamanalina Rivo, Filohan’ny komity mpikarakara ny UTOP amin’ny maha mpanohana « Platinium »  an’ny Orange. Hisalotra ny anaran’ny Orange noho izany ny sokajy hazakazaka « T-rail »  35 kilometatra. Hitondra ny fahaiza-manaony amin’ny lafiny teknolojia ihany koa ny orinasa mandritra ny UTOP 2023. Ao anatin’izany ny fampifandraisana ny mpihazakazaka amin’ny alalan’ny tolotra antso sy internet, ny fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday miaraka amin’ny Orange Money.

Manamafy ny fiarahamiasa efa nataon’ny orinasa tamin’ny hazakazaka anaty natiora natao tany Nosy Be, Antsiranana sy Isalo ity fifanaovan-tsonia farany ity. Manana vina hampiseho bebe kokoa ny endri-tanàna any amin’ny faritra ny Orange amin’ny UTOP andiany faha-14. Ho fanamafisana ny fizahantany amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy ho tombontsoan’ ny tompon-tanàna no tanjony amin’izany. Ankoatra ny fifaninanana hazakazaka dia ao anatin’ny fiarahamiasan’ny roa tonta ny fambolena zanakazo miisa 5000 any Angavokely.

 Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *