Sekolim-panjakana ambaratonga voalohany (CEG) miisa efata (04) ao Miarinarivo, faritra Itasy no hampianarana ireo karazana teknika ampiasaina amin’ny “agroécologie” na fambolena maharitra, toy ny fanamboarana zezika kompôsta, ranon-jezika, voly rakotra na fampiasana zava-maitso mamerina na manatsara ny tsiron’ny tany, ny fampivadiamboly, fifandimbiasam-boly sy ny maro hafa.
Rehefa vita ny fampitàna ny lesona an-tsoratra dia mampihatra avy hatrany eny amin’ny saha sekoly ny mpianatra. Nanomboka ny taom-pianarana 2022 -2023, mpianatra ao amin’ny kilasy fahaenina sy fahadimy ao amin’ny CEG Ambatomanjaka, Mandiavato, Igararana ary Antanetimboahangy no mianatra izany, vokatry ny tetikasa ALEFA Agroécologie. Mamatsy vola ny tetikasa ny Agence Française de Développement (AFD). Ny APDRA no misahana ny tetikasa ary miara-miasa amin’ny mpisehatra miisa telo (FIFATA, GSDM, Cœur de fôret). Faritra Vakinankaratra, Itasy ary Atsinanana no iasan’izy ireo. Miandraikitra ny fampidirana ny fambolena maharitra any an-tsekoly ny GSDM. Ankoatra ny sekoly 4 ao Itasy dia mahazo tantsoroka sy fampitaovana ihany koa ireo sekoly miankina sy tsy miankina miisa 12 ao Vakinankaratra. Nomarihan’ny Tale mpanatanteraky ny GSDM, Rakotondramanana fa nanomboka tany amin’ny faritra Vakinankaratra ny fampidirana ny fambolena maharitra any an-tsekoly, tamin’ny alalan’ny tetikasa PAPAM (2017), nitohy tamin’ny alalan’ny tetikasa Manitatra I sy II izany. Hitan’ny tetikasa Prosol/GIZ ny fahombiazan’ireo tetikasa ireo ka sekoly miisa 12 tao Boeny ihany koa no nampiharana izany. Efa tapitra ireo tetikasa ireo ka ireo sekolim-panjakana sy tsy miankina 12 ao Vakinankaratra nahazo tombontsoa tamin’izany no hanaovan’ny GSDM fanarahamaso amin’ny alalan’ny tetikasa ALEFA. Notanterahina ny 13 oktobra 2023, tao amin’ny tranom-pokonolona Miarinarivo ny atrikasa fanombanana ny zava-bita tamin’ireo CEG 4 tao Itasy, nijerena ireo olana, ny fanatsarana tokony atao hiatrehana ity taom-pianarana vaovao ity.
Manomboka sarotra ny fiompiana trondro an-tanimbary noho fahataran’ny orana. Tsirin-kevitra avy amin’ ny APDRA no namolavolana ny tetikasa ALEFA Agroécologie. Ho fanatsarana sy hampaharitra ny fiompiana trondro tantanam-pianakaviana no tanjon’ny tetikasa, araka fanazavan’i Herinionja Toky, manam-pahaizana momba ny fambolena ao amin’ny GSDM. Ao anatin’ny sahan’asa tanterahana ny fambolen-kazo satria anisany miantoka ny rano ampiasaina amin’ny fambolena, ilaina amin’ny fiompiana trondro an-tanimbary. Anjara asan’ny “Coeur de fôret” ohatra ny fanabeazana ara-tontolo iainana any an-tsekoly. Sekoly ambaratonga fototra 20 ao Itasy sy Vakinankaratra no hanaovana izany. Mpianatra 600 isa, taona fahaefatra sy fahadimy no misitraka izany. Ampahafantarina ny mpianatra ny antony iarovana ny tontolo iainana, ny fihetsika tsara tokony atao, ao anatin’izany ny fambolen-kazo. Manaitra ny sain’ny besinimaro i Rakotondramanana, Tale mpanatanteraky ny GSDM fa ho lasa tany ngazana ny faritra Itasy raha tsy mandray fepetra. Nanamafy ihany koa ny Talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana (DRAE) ao Itasy fa tia mampiasa akora simika ireo tantsaha ao an-toerana ka misy fiantraikany amin’ny tany, ny tontolo iainana sy ny fahasalamana izany. Manampy amin’ny fisorohana izany ny fampidirana « agroécologie » ho taranja ampianarina any an-tsekoly hoy izy satria mila beazina dieny mbola kely ny ankizy mba hiaro ny tontolo iainana, mila ampahafantarina azy ireo ny voka-dratsin’ny fanapotehana ny tontolo iainana, ny teknikam-pambolena iatrehana fiovan’ny toetr’andro. Ho fampiharana ny « éducation à l’inverse » na ny zanaka indray no mampita fahalalana amin’ny ray aman-dreny ihany koa no antony ampidirana ny “agroécologie” an-tsekoly.
Lynda A.


