Socio-eco

GOVERNEMANTA AMERIKANA: MANOME VOLA 5 TAPITRISA DOLARA HO AN’IREO NIARAN-DOZA NOHO NY RIVO-DOZA


Iray volana taorian’ireo rivodoza nisesisesy nahafaty olona tany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, dia mbola miatrika fiainan-tsarotra hatrany ny ankabeazan’ireo niharam-boina.

Manoloana izany dia manome vola 5 tapitrisa dolara fanampiny ho an’ny fanampiana ara-tsakafo, trano, ara-pahasalamana ary fidiovana ny vahoaka amerikana amin’ny alalan’ny United States Agency for International Development (USAID).

Ny famatsiam-bola vaovao dia homena ny Programme Alimentaire Mondial (PAM), UNICEF, ary ny Federasiona Iraisam-pirenen’ny Vokovoko Mena (Croix rouge). Fitohizan’ny fanampiana teo aloha izay efa nitentina 500.000 dolara izy io mba hanampiana bebe kokoa ireo olona simba ny tranony sy ny fiainany amin’ny ankapobeny.

Ny ampahany betsaka amin’ny famatsiam-bola – 3 tapitrisa dolara – dia hanomezana vary 1.200 taonina, voamaina ary menaka be otrikaina ho an’ireo traboina ao amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana, hozarain’ny PAM. Izany dia hatolotra olona miisa 26.000 mahery mandritra ny telo volana. Tokantrano 17.300 (manodidina ny 86.000 olona eo ho eo) no hahazo fanampiana ara-bola mandritra io fe-potoana io.

700.000 dolara indray no hampiasain’ny UNICEF amin’ny fanomezana rano sy fitaovana fidiovana ho an’ny olona miisa 20.000 ao Nosy Varika, Mananjary ary Vohipeno. Tafiditra ao anatin’izany fanampiana izany ny fanomezana savony fanasan-tanana sy fisorohana areti-mifindra any amin’ny faritra marefo, ary ny fizarana kojakoja fidiovana sy fitaovana natokana ho an’ny zatovovavy sy ny vehivavy. Olona 5.000 hafa, anisan’izany ankizy miisa 500, no hahazo fanohanana ara-tsaina  ho fiatrehana ny fikorontanana ateraky ny fifindra-monina.

Hampiasa vola mitentina 600.000 dolara ny Federasiona Iraisam-pirenen’ny Vokovoko Mena (Croix rouge) amin’ny fanamboarana trano fialofana ary fanomezana vola mivantana hanampiana olona miisa 25.000 ihany koa any Nosy Varika, Mananjary ary Vohipeno.

Farany, 700.000 dolara fanampiny no hampiasain’ireo fikambanana telo ireo hanomezana kojakoja isan-karazany toy ny siny, labasy, kojakojan-dakozia, ary fitoavana fanadiovana rano.

Etazonia no firenena mpanome fanampiana lehibe indrindra ho an’i Madagasikara. Miaraka amin’ity famatsiam-bola ity, i Etazonia dia efa nanome fanampiana mihoatra ny 85 tapitrisa dolara nanomboka tamin’ny Septambra 2020, anisan’izany ny fanampiana ara-tsakafo, ny fiatrehana ny tsy fanjariantsakafo any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara izay tratry ny haintany, ny fanomezana vaksiny maimaim-poana an-tapitrisany ary ireo fanohanana maro samihafa ho an’ny ny fiadiana amin’ny valanaretina COVID-19 eto amin’ny firenena.

# # #


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *