Socio-eco

GIZ: Mampivelatra ny seham-pihariana amin’ny fiompiana osy sy tantely.


Anterivava :

Mandray anjara amin’ny tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy (FEPA) ny GIZ sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny vokatra azo avy amin’ny osy sy ny tantely no hatolon’izy ireo ho an’ny mpanjifa mandritra ny dimy andro. Tsy mena-mitaha amin’ny vokatra hafa ireo karazana sakafo azo avy amin’ny osy. Raha ny fofony no tena tsy itiavan’ny olana azy, mifanohitra amin’izany indrindra ireo vokatra vokarin’ny orinasa izay tohanan’ny  GIZ.  Noho izany, afaka jifaina  eny Nanisana ireo vokatra ireo toy ny saosisy, mortadelle, salami,…Mivarotra osy velona milanja 60 kg ihany koa ny trano hevan’izy ireo.

Ahitana vokatra tantely  voaodina ihany koa eny an-toerana.

Manampy ara-pitaovana  sy ara-teknika  ireo mpanodina vokatra  no tena iantsorohan’ny GIZ. Manosika azy ireo eo amin’ny sehatry ny tsena ihany koa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *