Socio-eco

“FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA” : Nankatoa Mpahay telo lahy vaovao ny Fitsarana Ambony


“Fotoam-pitsarana manetriketrika” (araka ny filazan’ny Filohan’ny Fitsarana Ambony) natao tetsy amin’ny Tribonaly Anosy ny zoma 31 marsa 2017 tolakandro, no nanatanterahan’ny Mpahay ankatoavina (Experts agréés) telo mirahalahy ny fianianana handraisana azy ireo, araka ny Lalàna, ho isan’ny mpikambana feno ao amin’ny CAREA (Compagnie des Arbitres Rapporteurs et Experts Agréés près les Cours et Tribunaux de Madagascar).

Rehefa niangavian’ny Filohan’ny Fitsarana Ambony hamaky ny mombamomba ny Mpahay tsirairay ny Fampanoavana, dia nanainga azy ireo hiroso misesy amin’ny fianianana avy hatrany:

Fianianana : RAZAKA Oliva

“Mianiana aho fa hanatanteraka am-pahamendrehana sy am-pahamarinana ny asa maha-Expert ahy. Hanaja sy hampanaja ny Lalàna ao amin’ny fanatanterahana izany asa izany”.

Nifandimby nanonona an’io fehezenteny io miaraka amin’ny fanangana tanana havanana izy telo mirahalahy araka izao filaharany izao:
– Rajoelisolo Andrianorosoa, Ingénieur, Expert en Bâtiment et Travaux Publics,
– Razaka Oliva, Journaliste, Expert en Communication et Journalisme.
– Raoiliniaina William, Ingénieur, Expert en Informatique Industriel,

Vita izany dia niarahaba azy telo mirahalahy ny Filohan’ny Fitsarana Ambony, ary nanantitrantitra teo anatrehan’ny besinimaro ny maha sarotra ny asana Experts eo amin’ny fitadiavana ny marina miaraka amin’ny Fitsarana.
Ankoatran’ny tapaka sy namana ary fianakaviana, dia tonga nanotrona io «fotoam-pitsarana manetriketrika» io ny olo-manankaja maro. Singanina manokana ny Loholona isany Rakotovazaha Olivier sy Zo Rakotoseheno izay Mpanao gazety rahateo; ny Amiral Rakotoarisoa Lucien Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena; ny Filohan’ny Holafitry ny Mpanao gazety Rakotonirina Gérard; ny Sekretera Jeneralin’ny FFPM Pasteur Zakazafy Etienne; ny Filohan’ny SAFIF/FJKM Rakotoarimanana Harijaona; ny Doyen’ny FLSH Profesora Ralalaoherivony Baholy; ny Talen’ny Radio Protestanta Ranarivony Colette Teolojiana; Mpanao gazety zokiolona maro notarihan’i Jean-Louis Rafidy sy Latimer Rangers Minisitra tranainy Fampahalalam-baovao; Mpandraharaha ekonomika notarihan’ny PDG Kam Lai Hun; ny Trésorier Fikambanana Anciens Officiers du Saint-Cyr Coëtquidan Raharinosy Gabriel; ny Tantsambo tranain’ny Tafika an-dranomasina malagasy notarihan’ny Capitaine de Vaisseau Rajaonarivelo Philippe; Mpitondra fivavahana maro sy ny Zanaka am-pielezan’ny tobilehibe Soatanana FFPM…

Marihina fa sambany izao misy Mpanao gazety anaty CAREA nandritr’izay 55 taona niorenany teto Madagasikara izay.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *