Socio-eco

FONDATION ORANGE : Renim-pianakaviana sembana nahazo 4000 euros.


Nandrombaka ny « Coup de Cœur ô Féminin 2017 » Rasoa.  Vehivavy 15 mipetraka any  Frantsa, Cameroun, Côte d’Ivoire sy avy eto Madagasikara  samy nahazo « bourse »  ka anisany voafidy tamin’izany Rasoa, renim-pianakaviana miaina ao anatin’ny fahasembanana, mipetraka any Antsohihy. Fanampiana ara-bola mitentina 4000 Euros no azony.

Entiny hanatanterahany ny tetikasany hananganana orinasa fanamboarana savony artisanaly sy ny nofinofiny ary hitsinjovany ny ho aviny ny zanany roa  io fanomezana io. «  Manana nofinofy  ary mahatoky ireo vehivavy 15 ireo izahay fa vonona ny hioatra amin’ny fiainana izy ireo rehefa tohana amin’ny fomba rehetra. Hanampy azy ireo hanatanterahany ny tetikasany ny « bourse » izay omena azy ireo », hoy ny Sekretera jeneralin’ny  « Fondation Orange », Brigitte Audy.

Nisitraka ny tetikasa  «  Maisons digitales pour les Femmes »  an’ny Fondation Orange Rasoa. Nianatra momba fampiasana ny fitaovana nomerika  sy ny rindram-baiko fototra  (logiciels de base) ny tenany. Nambaran’ny Filohan’ny « Orange Solidarité Madagascar », Josie RANDRIAMBELOMA nandritra ny fizarana ny loka tany Antsohihy  fa tanjon’ny tetikasa ny  fampidirana ny vehivavy amin’ny sehatry matihanina amin’ny alalan’ny fampiofanana azy ireo  ny  fikirakirana ny fitaovana nomerika.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *