Socio-eco

FOIRE INTERNATIONALE DE L’AGRICULTURE : Manaraka ny vina Fisandratana


Efa mizotra any amin’ny lalan’ny Fisandratana i Madagasikara raha eo amin’ny lafiny fambolena sy ny fiompiana. Fomba iray hanohizana ny lalàna ny  « Foire Internationale de l’Agriculture » na FIA. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany 13 septambra 2018 ary tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 16 septambra 2018 ny  FIA. Tsy miova ny toerana fa eny amin’ny Forello Tanjombato ihany no hanaovana ny andiany faharoa. Mpiara-miasa akaiky amin’ny mpikarakara ny hetsika ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana (MINAE).

Mifanindran-dalana amin’ny vina Fisandratra 2030 an’ny kandida  Hery Rajaonarimampianina ny fandaharan’asan’ny MINAE.  Fanamby roa lehibe no tsy maintsy tanterahana. Voalohany amin’izany ny  fahafahan’ny firenena Malagasy hahavita tena ara-tsakafo amin’ny taona 2020. Ny  hahatongavan’i Madagasikara  ho sompitra ara-tsakafo an’ny ranomasimbe Indiana amin’ny taona 2030 ny fanamby faharoa. Efa ao anatin’ny fanatanterahana ny vina tanteraka miaraka amin’ireo mpiantsehatra rehetra ny fitondram-panjakana. Araka ny tarehimarika nivoaka tao amin’ny  gazety boky mirakitra ny « Foire Internationale de l’Agriculture » andiany faha-efatra dia  4.030.000 taonina  ny voka-bary tamin’ity taona ity. “Raha ny  tombana dia niakatra 30 % ny tahan’ny voka-bary teto amintsika raha oharina tamin’ny  taona 2017”, hoy ny Ministry ny fambolena sy ny fiompiana, Harison Edmond Randriarimanana tao anatin’ity gazety boky ity hatrany. Ho fanohizana ny ezaka no tanjon’ny FIA satria  ankoatra ny varotra fampirantiana ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny vokatra azo avy aminy dia fotoana  iray hihaonan’ny mpandraharaha momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ireo tantsaha mpamokatra hifampizarana traikefa sy fahaiza-manao ihany koa ity hetsika ity.

Lynda A.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *