Socio-eco

FOIRE ECONOMIQUE DE LA SAVA: Hetsika goavana miisa efatra hitranga amin’ny toerana iray


Faritra manan-karena i SAVA raha ny vokatra lavanila, voanio, episy no resahana. Ho an’ny lavanila izao dia mamokatra iray taonina sy 200 kilao isan-taona ny faritra ary 1500 taonina isan-taona no lavanila haondran’i Madagasikara, araka fanazavan’ny filohan’ny tranoben’ny varotra SAVA, Zakir Mamodaly. Voasokajy eo amin’ny tsena iraisampirenena ho tsara kalitao ny lavanila eto amintsika ka noho izay hatsarana izay dia miakatra ny vidim-bokatra miala avy eny amin’ny tantsaha mpamboly. Ao anatin’ny taom-piotazana tanteraka izao ireo distrika efatra mandrafitra ny faritra amin’izao fotoana izao. Raha ny tarehimarika nomen’ i Zakir Mamodaly dia eo anelanelan’ny 700.000 Ariary ka hatramin’ny 1.000.000 Ariary ny iray kilao amin’ny lavanila. Ho fitazomana io hatsaran’ny kalitaon’ny lavanila io sy ireo vokatra hafa mampalaza ny faritra indrindra no antom-pisian’ny « foire économique de la SAVA ». Hetsika ara-toekarena sy ara-kolotoraly miisa efatra no hitranga mandritra ny foara dia ny « coco festival » , « Mada Vanilla Fair – Sweet Smeling Fair », ny « festivanille » ary ny « Vanilla Fair » .

Ny « coco festival » na ny « fetin’ny voanio », andiany fahatelo izay entina hanandratana ny vonio eto Madagasikara sy hampahafantarana ny vokatsoa azo avy aminy. Ny foara « Mada Vanilla Fair – Sweet Smeling Fair », andiany faharoa kosa dia karakarain’ny Fairtrade Africa mba hampisehoana ireo vokatra nahazo fankatoavana « Fairtrade », toy ny lavanila, episy, voankazo voahodina sy hampahafantarana ny fiantraikany amin’ny lafiny toekarena. Ny « festivanille », andiany faha-10, hetsika ara-kolontsaina karakarain’ny ONG COFSAT (Collectif de organisateurs du FestiVanille Satrahagna). Farany ny « Vanilla Fair » izay hihaonan’ireo orinasa vaventy sy ireo mpandraharaha ara-toekarena.

Ireo hetsika ireo dia atao ny 24 ka hatramin’ny 27 oktobra 2019 izay ao Sambava avokoa no hanatanterahana azy ireo. Ao anatin’izao hetsika izao ny fanitarana ny tsena ato anatiny sy iraisampirenena.

Nambaran’ ny mpikarakara avy ao amin’ny Fair Trade Africa, Zanavelo Jean-Philippe tamin’ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny 20 septambra 2019 fa ankoatra ny fampiroboroboana ny vokatra mampalaza ny faritra dia zava-kendren’ny foara ihany koa ny fampihaonana ireo mpisehatra, toy ny mpamboly, koperativa, mpandraharaha hifampizara traikefa entina hitazomana ny hatsaran’ny kalitaon’ireo vokatra sy hanamora ny seha-pihariana. Raha ny fantatra dia mpisehatra ara-toekarena 70 isa no handray anjara.

Tsy takona afenina fa lafo vidy ny lavanila ka miteraka tsy fandriam-pahalemana amin’iny faritra SAVA iny. Mbola olana hafa ihany koa ny ady tany satria betsaka ireo mpila ravinahitra ka mitombo ny filàna ara-tany ary mihalafo ny vidiny. Vokany, manjaka ny fisolokiana sy ady tany eo amin’ny mpiray lova.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *