Socio-eco

FOFIKRI-ILAFY FFPM : Saribao vita amy fako


Ny Akany Avoko FFPM Ambohidratrimo, toerana fitaizana ireo zatovovavy apetraky ny Fitsarana eo ambany fiahian’ny FFPM (Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara), dia mamokatra an’io karazana arina (saribao) vita amy fako sy ravinkazo io. Hisy fampiofanana mikasika izany eny amy Foibe Fitaizana Kristiana (FOFIKRI) Ilafy. Tafa nifanaovan’ny Délire Madagascar tamy Rtoa Ranivoharimanitra Fanjavola, Talen’ny FOFIKRI-FFPM.

 

 

Délire Madagascar (DM): Mme Fanja inona indray izany resaka saribao ho kononkononina eny amy FOFIKRI Ilafy sahaninao izany ?

Ranivoharimanitra Fanjavola (RF): ”Manomana fampiofanana momba ny fanaovana « charbon » amy bozaka sy fako tokoa izahay amy sabotsy 23 avrily 2016 manomboka amy 8 ora sy sasany hatramy 4 ora hariva. Ny tapany maraina fianarana manao “compost” ary ny hariva momba ny “charbon”. Ireny raviravinkazo, taratasy sy bozaka aman’ahitra ary fako ireny izany tsy dia tsara ariana intsony, fa ahafahana manao “charbon”, dia ahafahantsika mitsinjo ny tontolo iainana koa izany sady itsimbinana ny fahefa-midivin’ny olona tsirairay.”

DM: Iza sy iza avy moa no afaka hanatrika izany? Mitondra vilia sy sotro ve aho raha mba ho eny?

RF: “Ny olona rehetra dia mba tianay hahay io zavatra io. Na ny olona mpikarakara tokantrano, na ny mpampianatra mpanabe. Ny olona rehetra dia voakasika satria isika rehetra samy mahandro sakafo daholo. Noho izany, izay mahay misakafo dia tokony hanatrika ilay fiofanana. Mitondra vilia sy sotro hoy ianao? Tsy mitondra na inona na inona mandeha mankany, fa ny saram-piofanana dia 20000 ariary. Efa tafiditra ao anatin’izay ny ody ambavafo sy sakafo antoandro satria mandritra ny iray andro ny fiofanana.”

 

DM: Mety tsy ho verimaina ve Mme Fanja ny 20.000 ariary entiko any izany rehefa mahay “charbon” aho, satria roa alina izany efa mahazo “charbon” be 4 lasaka any aminay any Isandra any?

RF: “Roa alina, efatra lasaka fotsiny ny “charbon” azonao. Nefa roa alina kosa ahafahanao manao “charbon” mandritra ny androm-piainanao. Sady ny tombontsoa amin’ilay izy dia madio ny tanàna, voatsinjo ny tontolo iainana, tsy ringana ny ala, sady mihena ny vola mivoaka amy tokantrano tsirairay avy.”

 

Anterivava nataon-dRazaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *