Socio-eco

FOARA KANTON’I GASIKARA : Mampiakatra avo ny lanjan’ny asa tanana malagasy


Asa tanana malagasy voafantina sy tsara kalitao ary amin’ny endriny isan-karazany. Azo jifaina mandritra ny foara “kanton’i Gasikara” izany ny 28 ka hatramin’ny 31 aogositra 2019, eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Tsapa fa tsy mipetraka amin’ny toerana tokony hisy azy ny asa tanana malagasy kanefa maneho ny kolontsaina sy ny fahaiza-manaon’ny mpanao asa tanana.  Ho fampiroboroboana  ity seha-pihariana ity sy hamporisihana ny malagasy hanjifa ny vita gasy  no antony hikarakaran’ny Chez’ Elles Madagascar ny foara, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra nandritra ny fanokafana ny hetsika tamin’ny fomba ofisialy.

 Miditra amin’ny andiany faharoa isika izao satria nahitam-pahombiazana  ny andiany voalohany.  Nambaran’ny mpikarakara,  Ratrimoson Stéphanie fa 2000 isan’andro ny mpitsidika tamin’ny andiany teo  aloha ary nitombo 40 ny mpandray anjara raha toa ka 30 tamin’ny voalohany. Hita eny an-toerana avokoa ireo asa tanana malagasy amin’ny sehatra isan-karazany, toy ny kojakoja hanaingoana ny ao an-tokantrano, ny fitafiana, ny  kiraro, ny poketra,  vokatra hikojakojàna ny endrika amam-bika, ny sakafo be otrikaina… Nambaran’ny tale jeneralin’ny asa tanana avy ao amin’ny ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana fa ao anatin’ny fampiroboroboana ny asa tanana malagasy, fitadiavana lalam-barotra ho any mpanao asa tanana fa indrindra fampiakarana avo ny lentan’ny asa tanana vita malagasy ny hetsika tahaka izao. Nilaza izy fa manana tetikasa ihany koa ny ministera hanohanana ireo mpisehatra amin’ny asa tanana. Ny tranga hita aloha amin’izao fotoana izao dia mitaraina hatrany ireo mpanao asa tanana fa tsy misy mpijery.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *