Socio-eco

FLM Ambatovinaky : Noziogaina mariboninahitra ny Pastora


Nomen’ny Fanjakana malagasy mariboninahitra Chevalier de l’Ordre National malagasy ny Pastora Ratsimbazafy Solohery, Mpitondra Fileovana sy Fitandremana FLM Ambatovinaky, Synodam-Paritanin’Antananarivo, FDiangonana Loterana Malagasy.

Ny sabotsy namaramparana ny taona 2017 no nanamarihina izany tao amin’ny Akany FLM Ambatovinaky ka ny Profesora Rabarioelina Lala Grand Chancelier no tonga nanolotra izany sy niara-nitotorebika ara-pilazantsara tamin’ny Kristiana maro. Nifanojo nandritra ny lanonana ny mahasoa sy mahafinaritra ka taorian’ny arofenitra ara-panjakana mifanandrify amin’ny fanolorana mariboninahitra dia koranam-pianakaviana ara-pomba kristiana no niarahan’ny rehetra nifarimbona. “Sakafom-piombonan’aina Faran’ny Taona”  nanasana ny rehetra ho fanohizana ny “Ezaka Galerie sy Dabilio”. Endrika vaovao no hita amin’ny aty fiangonana Ambatovinaky araka izany. Efa nisantatra izany “Galelrie” (misy rihana roa) izany ny Kristiana raha nankalaza ny Krisimasy teo, ary toy izany koa ny dabilio vaovao. Nitombo araka izany ny fahateloman’ny trano fiangonana vahoakan’Andriamanitra maro. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafanana ny korana tamin’ny alalan’ny antsikana ara-pilazantsara ny Grand Chancelier Rabarioelina Lala.

Anisan’ny Mpitandrina tanora indrindra tamin’ireo Mpitondra fivavahana nifandimby tao Ambatovinaky ny Pastora Ratsimbazafy Solohery.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *