Socio-eco

Fizahan-tany : Mirona amin’ny fampiroboroboana ny rojo-pihariana


Sakana ho an’ny fampiroboroboana ny fizahan-tany eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny foto-drafitr’asa. Tanjon’ny famelabelaran-kevitra momba ny « fanavaozana fanapariahana ny fampitaovana »  (innovation de la chaîne d’approvisionnement) izay nokarakarain’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) sy ny tetikasa PIC2 (Projet Pôles Intégrées de Croissance et Corridors)  an’ny banky iraisam-pirenena. Ny 31 mey 2018, tao anatin’ny hetsika natokana ho an’ny fizahan-tany (ITM), teny amin’ny « village voara Andohatapenaka » no nanatanterahina  izany. Fotoana niarahan’ny mpisehatra rehetra amin’ny tontolon’ny fizahan-tany  nitadiavana vahaolana iraisana manoloana ny sakana tsy mampandroso ny fizahan-tany eto Madagasikara ity famelabelarana ity. Anisan’izany, ny fampiroboroboana ny fiarahamiasa maharitra eo amin’ny samy sehatra tsy miankina.

Nampahafantarin’ny vondrona AXIAN, mpiara-miasa amin’ny EDBM tamin’io fotoana io ihany koa fifaninana mamorona « application ». Miompana amin’ny « Tourisme & Innovation pour Madagascar » ny lohahevitry ny fifaninana. Ao anatin’ny tondro zotran’ny AXIAN ny fampivoarana ny fandraharahana eto Madagasikara. “ Ho tolorana loka ireo mpilalao namorona “application” vaovao be satria mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahan-tany”, hoy ny tomponandraikitry ny AXIAN, Carole Rakotondrainibe.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *