Socio-eco

FITSARANA IREO MPANAO GAZETY : « Tsy manaraka ny lalàna ny fomba nanatanterahana ny paikady heloka »


Tao aorian’ny valim-pitsarana ireo mpanao gazety telo sy tale iray ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra dia naneho ny heviny ny mpisolovava azy ireo, ny niharan’ny fitoriana, ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tamin’ny anaran’ny TIM sady mpanao gazety ary ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM).  Nanambara ny mpisolovava azy efatra mianadahy , Ratefimahefamijoro Eloi  fa tokony ho foana avy hatrany ny fanenjehana azy ireo satria nisy ny tsy  fanajana ny fombafomba rehetra mialoha ny fanadihadiana. Teo amin’ny endriny ivelany dia efa tsy voahaja ny lalàna. Maro ireo pitsopitsony tsy nanjaina, hoy izy.  Tsy manaraka ny lalàna ny fomba nanatanterahana ny paikady heloka momba ny lalàna famaizana «  procedure penale ». « Ny fehezan-dalàna famaizana, loi 2017-013 tamin’ny 26 jolay 2017 manova ny andininy sasantsasany, izay milaza fa rehefa misy olona hampanantsoina atao fanadihadiana eny amin’ny  mpitandro filaminana dia tokony ho hita ao ny anarana, inona izy eo amin’ny fanadihadiana izay atao azy… » Nisy tamin’izy ireo ny tsy fantatra , vavolombelona ve sa inona no anaovana fanadihadiana azy (Art.53 al.10). Nisy ny tsy nahazo taratasy fampiantsona  (Art.55 al. 4 ) toa an’i Ramihone Patrick, hoy hatrany ity mpisolovava azy ireo ity.

« Amin’ity raharaha ity tsy mazava ny fampiasana ny lalàna miady amin’ny cybercriminalité sy ny fehezan-dalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety » hoy Fidèle Razara Pierre, solombavambahoaka sady mpanao gazety. Rehefa manao fanambarana ny ministera dia mpanao gazety  Raonimanalina Nadia ( Loi 2016-029 mifehy ny asa fanaovan-gazety ), fa rehefa nosaziana izy dia miala ilay loi 2016-029 fa lasa ilay loi 2016-031 miady amin’ny cybercriminalité no nampiasain’ny mpitsara, hoy izy.

Nanambara ihany koa ny filohan’ny OJM, Rakotonirina Gerard  fa tsy mizotra mankany amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay niadian’ny mpanao gazety izao zava-misy izao. Nokianiny ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny serasera izay nataon’ ny tale jeneraly ny  serasera ao amin’ny minisitera. « Tokony hianatra ny asa fanaovan-gazety izy mba tsy hanaotaofoana amin’ny fanambarana avoaka amin’ny anaran’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera. Mahagaga anefa fa mpanao gazety avokoa ny manodidina azy ao, anisan’izany ny minisitra ».

Nomarihan’ny mpisolovavan’izy ireo fa nampiankatra fitsarana ambony izy ireo  ka voapetraka omaly 20 Septambra 2019 izany. Noho izany dia miantona aloha iny didy navoakan’ny fitsarana iny.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *