Socio-eco

FITSARAM-BAHOAKA TAO IKONGO: Efa niverina ny filaminana


Fitsaram-bahoaka iray indray no nahafatesana lehilahy iray 24 taona. Tany Ikongo no niseho ity tranga ity. Ny nahatonga izany famonoana tsy mandalo fitsarana izay ampiatra ny lalàna izany dia ny nahitana ny fatina vehivavy iray tao anaty honahona tao an-tanàn’i Papango ao Ikongo ny 21 martsa 2019 lasa teo.  Nisy ny fisavana trano nataon’ny fokonolona teo an-toerana ka tamin’izany indrindra no nisy lehilahy iray antsoina hoe Nirina no nilefa nandositra tampoka vao nahita ireo fokonolona ireo. Raikitra noho izany ny fifanenjehina ary vao tratran’ny fokonolona ity lehilahy ity dia nofirain’izy ireo ny antsy ka maty teo no eo. Nanao izay ho hafany ihany ny polisy kanefa be noho ny vitsy ka tsy nahavonjy ity lehilahy ity. Nisy olona roa kosa no voasambotra ho ahiana nitarika izao fitsaram-bahoaka izao. Nikasa ny mbola haka ireo voatazona tao amin’ny biraon’ny polisy indray anefa ireo fokonolona fa tsy nanaiky izany ny Polisy. Nisy ny fifanazavan-dresaka natao niaraka tamin’ireo Ampanjaka teo an-tanàna ka nihemotra tamin’ny hevi-dratsiny ireo fokonolona. Mizotra araka ny tokony ho izy ny famotorana ankehitriny ary efa nifanarahana tamin’ny fampanoavana fa natolotra ny fitsarana tamin’ny 25 martsa 2019 lasa izao ny raharaha miaraka amin’ireo olona efatra voarohirohy.

Efa niverina amin’ny laoniny ny filamina ao Ikongo ankehitriny ary andrasana ny tohin’ny fitsarana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *