Socio-eco

FIOMBONAMBEN’NY MPIASAN’NY M2PATE: Mitaky olom-baovao mahafehy ny fananantany


Ho voavaha ny olan’ny fananantany eto Madagasikara raha teknisianina ny ho minisitra misahana ny fananantany. Noho izany, efa nanome anarana teknisianina azo isafidianana tsara ho atao ministra misahana ny fitantanana ny fananan-tany ny fiombonamben’ny mpiasan’ny ministera eo anivon’ny fiadidian’ny repoblika misahana ny tetik’asan’ny filohampirenena, fanajariana ny tany sy ny fampitaovana (M2PATE). “Tokony ho olom-baovao ny ho minisitra”, hoy i Vonjy RAZAFINDRATSIMBA, filohan’ny Sendikan’ny fananantany.

Dosie arivo momba ny fangatahana tanim-panjakana no mbola tsy voasonia hatramin’izao. Misy amin’ireo antontan-taratasy ireo efa tamin’ny taona 2014 no miandry izany sonia izany. Ho vita ao anatin’ny enim-bolana ireo raha voavaly ny fangatahan’ny fiombonamben’ny mpiasan’ny M2PATE dia ny hametrahana ministra teknisianina. Ankoatra izany, mitaky ny hisian’ny ministera manokana misahana ny fitantanana ny fananantany sy ny fanajariana ny tany ny fiombonamben’ny mpiasan’ny M2PATE. Nambaran’i Vonjy RAZAFINDRATSIMBA fa efa manana vahaolana ireo teknisianina miasa eo anivon’ny fananantany sy ny fandrefesantany. Raha teknisianina no mitantana ny ministera dia ho voavaha ny olan’ny ady tany . Mandra-piandry ny fametrahana governemanta vaovao dia miato tanteraka ny fampandehanan-draharaha eny anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany.
Tojo (Stagiaire)

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *