Socio-eco

FILOHAN’NY FLM : « Afaka manokatra fiangonana izay tsy afaka hiandry ny fisokafana tanteraka»


Tomponandraikitra feno. Manaiky ny fanapahan-kevitry ny fiangonana manerana ny sahan’ny FLM (Fiangonana Loterana Malagasy) ny birao foibe. Nambaran’ny filohan’ny FLM, Rakotonirina David nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety androany 24 aprily 2020 teny amin’ny FLM 67 ha fa « afaka manokatra fiangonana izay tsy afaka hiandry ny fisokafana tanteraka » saingy « tsy maintsy miomana sy manomana ny fisorohana ny COVID 19 ho fanajana ny fanapahan-kevitr’ny Filoham-pirenena Malagasy ary tsy maintsy manana lamina mazava mba tsy hisy ny fikorontanana sy ny fanafitohinana ».

 Araka ny fanambaran’ny birao foibe FLM hatrany fa « aoka izay hanokatra mba hanatona ny fahefam-panjakana akaiky azy indrindra mba ho fanajana ny fepetra rehetra misy». Mampatsiahy i Pastora,  Rakotonirina David fa mila hajaina feno sy tanteraka ny toromarika momba ny fepetra ara-pahasalamana toy ny fanaovana sarom-bava sy orona, fanasana tanana rehefa miditra na mivoaka ny  trano fiangonana, ny elanelana iray metatra, tsy mahazo mihoatra ny 50 no miaraka tonga (tsy 50 kristiana io fa 50 miaraka amin’ny Pastora, mpitendry, diakona), ny fanadiovana na fanaparihana fanafody ao am-piangonana. Noho izany, « tomponandraikitra feno amin’ny fandaminana ianareo any an-toerana (Pastora sy komity), tsy fisorohana ny COVID 19 ihany fa fiarovana tsy hampisy ny fanafitohinana noho ny olana ara-pandaminana : Iza no hiditra izao ? Iza no hiandry manaraka na amptiso ? Ahoana ny fanadiovana ny toerana isaky ny misy miala, alohan’ny  hidiran’ny manaraka ? »

Ankoatra izany dia « isaorana etoana ny fahendrena hasehonareo manaiky fa na ho sokafana aza ny fiangonana dia tsy afaka miaraka miditra ao isika rehetra, fa mbola maro hatrany ny mijanona an-trano ». Mbola ao anatin’izay fepetra fiarovana amin’ny tsimokaretina coronavirus izay hatrany dia tsy mampiasa kapoka iombonana mandritra fandraisana ny fanasan’ny Tompo fa samy mitondra ny azy avy any an-trano ny mpino kristianina tsirairay.

Lynda A.


One comment on “FILOHAN’NY FLM : « Afaka manokatra fiangonana izay tsy afaka hiandry ny fisokafana tanteraka»

  1. Pingback: FILOHAN’NY FLM : « Afaka manokatra fiangonana izay tsy afaka hiandry ny fisokafana tanteraka» - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *