Socio-eco

FIKAMBANAN’NY ZANAK’AVARATRA: Fototry ny olana ny adilahy politika


Fomba fanaon’ny mpino silamo ny mamarana ny volan’ny ramadany amin’ny fomba manetriketrika. Nanatanteraka izany ny  mpino silamo mivondrona ao amin’ny fikambanan’ny zanak’avaratra ny 15 jona 2018. Teny amin’ny trano fonenan’ny filohan’ny fikambanana Papa Soulé, 67 ha Avaratra no nanatontosana ny “Eid al-Fitr”. Nanatrika ny fetin’izy ireo ny Filohan’ny Antenimierampirenena Jean Max Rakotomamonjy sy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena Freddie Mahazoasy.

Niatrika ny volan’ny ramadany ny mpino silamo. Aorian’ny ny 30 andro hifadiana hanina, tsy hisotroana, tsy hifohana, tsy hanaovana firaisana ara-nofo dia  mifampiarahaba “Eid Mubarak” ny mpino silamo rehetra. Fomba fiarahabana aorian’ny fahavitan’ny volana ramadany izy ity. Midika ho fankalazana ny “Eid” ary fitahiana ny “Mubarak”. Ankoatra izany, fotoana iray iarahan’ny mpianakavy, ny mpinamana… mihaona sy miara-komana sakafo nenti-paharazana  ny “Eid al-Fitr”. Fanambin’ny fikambanana zanak’avaratra ny fametrahana ny firaisan-kina sy ny fanajana ny hafa. Manao antso avo ny fikambanana mba hiray hina amin’ny fampandrosoana ny firenena ny zanak’avaratra ary hanatsahatra ny adilahy politika izay fototry ny fahantrana eto Madagasikara.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *