Socio-eco

FIKAMBANANA 2 MT: Nitsinjo ireo sahirana.


Nanana vatsy niatrehana ny fetin’ny taombaovao  ny  mpikambana  ao amin’ny “2MT” na  “miara-mandroso no tanjona”.  Nizara kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) tena manahirana ny mponina ao Soavina  ny fikambanana ny 30 desambra 2017. “Miara-miasa  akaiky amin’ny kaominina  Soavina Atsimondrano ny fikambanana ka anisany mpikambana ao anatin’ny  “2MT”  ireo mponina sahirana ao amin’ny kaominina. Izy ireo no nisitraka izao tombontsoa izao”, hoy ny Filoham-pitantanana ny fikambanana Barijaona  ANDRIAMANISA.

Ny  fanohanana avy amin’ny orinasa miisa enina no nahavitan’ny fikambanana nanao asa fanasoavana. Ankoatra ny fizarana PPN, notolorana mari-pankasitrahana ihany koa ireo mpikambana mendrika ara-pitondran-tena.

Manampy tosika

Mifantoka amin’ny sosialim-bahoaka ny andraikitra sahanin’ny fikambanana “miara-mandroso no tanjona”. Manoro hevitra  sy miezaka mampianatra ny mpikambana  hiohatra amin’ny fiainana. “Mikaroka ny fomba rehetra  ahafahan’ny mpikambana sy ny mpiara-belona hampandroso ny fiainany izahay”.

Nandritra ny roa taona nijoroan’ny “2MT”, tsy tapaka nanao asa sosialy ho an’ny mpikambana sy fiarahamonina  foana ny fikambanana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *