“Tsy misy mandeha raha tsy misy vehivavy”. Fotoam-pivavahana, fanentanana ny vehivavy hanana fomba fijery miabo, fizarana fanomezana no nanamarihan’ireo vehivavy ao amin’ny kaominina Alasora ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Ny fikambanam-behivavy Porte Bonheur ao Alasora niaraka tamin’ireo mpitantana vehivavy ao amin’ny kaominina no nikarakara ny hetsika nnadritra ny 8 martsa 2022. Taorian’ny fotoam-pivavahana sy ny fandraisam-pitenenana dia nanolotra fanomezana ho an’ny maternité sy ny CSBII Alasora toy ny aron’ankajo ho an’ny rasazy sy ny dokotera, “tensiomètre”, fitaovana fampangotrahana rano (bouilloire) ity fikambanana tarihin’ny vadin’ny Ben’ny tanàna Alasora ity. Noazaraina lamba firakotra mafana sy ro-patsa ihany koa ireo reny tera-bao tao amin’ny martenité. Ankoatra izay dia nomena “panier garni” ahitana legioma isan-karazany ireo vehivavy miisa 100 avy amin’ny fikambanam-behivavy efatra (04) ao amin’ny kaominina Alasora sy ireo sefo fokontany vehivavy tamin’io fotoana io. Lambahoany kosa no nomena ireo mpiasa vehivavy ao amin’ny kaominina.
Fomba fijery miabo
“Manana anjara andraikitra lehibe izany vehivavy izany eo anivon’ny fiarahamonina sy ny fitondram-panjakana ka tokony omena lanja misimisy kokoa”, hoy ny vadin’ny Ben’ny Tanàna Alasora, Randriantsoa Razaka Mireille. Nambarany fa “tsy misy mandeha raha tsy misy vehivavy”. “Tsy entina hireharehana” anefa izany hoy izy fa entina hitakiana ny zon’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina sy ny fitondram-panjakana. Nohamafisiny fa ny “vehivavy dia manam-pahaizana, mahavita, manana traikefa ary tsy tokony ho sokajiana ho fanaka malemy fa omena andraikitra feno”. Mbola betsaka ireo vehivavy iharan’ny herisetra sy tsindry hazolena. Manoloana izany dia miray hina ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny Porte Bonheur hanampy ny vehivavy hahay hiatrika ny fiainana andavandro amin’ny alalan’ny fananana fomba fijery miabo. Ao anatin’izany ny fanomezana lanja ny tena aloha, na toy inona ny rotorotom-piainana atrehina. Santionany amin’ny fanomezana lanja ny tena fikarakarana ny vatana. Toro-hevitra nomen’ny mpanolontsaina manokan’ny Ben’ny tanàna sady mpikambana ao amin’ny Porte Bonheur momba ity fanomezana lanja ny tena ity ny fanokanana 10 minitra isa-maraina, mialoha ny zavatra rehetra, ny fikarakarana vatana toy ny fibangoana volo, fisotroana rano mangatsiaka. Nilaza ihany koa izy fa tena ilaina ny fizarana tsiky ho an’ny vady aman-janaka rehefa mihaona amin’ny maraina iny satria hitarika tontolo andro hahafinaritra izany.
Lynda A.
HORONAN-TSARY


