Socio-eco

FIFANINANANA MOMBA AGROECOLOGIE TAO BOENY : Mpianatra avy ao amin’ny sekoly Admis Manerinerina sy CEG Ampitolova no nandrombaka ny loka voalohany


Nampiova ny toetsain’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Nikarakara fifaninanana  momba ny tontolo iainana sy “agroécologie” na fambolena maharitra ny GSDM nandritra ny atrikasa fanaovana tombana momba ny fampidirana ny “agroécologie” any an-tsekoly ao amin’ny faritra Boeny, ny 21 oktobra 2022. Lalao miendrika fanontaniana no natao tamin’izany ka  mpianatra avy amin’ny sekoly  miankina amin’ny fanjakana (CEG) sy tsy miankina miisa 10 no nandray anjara tamin’ny lalao. Mpianatra avy ao amin’ny sekoly tsy miankina Admis Manerinerina sy CEG Ampitolova no nahazo ny naoty ambony indrindra. Natolotra azy ireo ny loka ho an’ny voalohany  izay ahitana  kitapo, “T-shirt”, rakibolana, pensiliazo maroloko, boky momba ny tontolo iainana,  “porte clé”,  kahie 100 pejy iray “paquet”. Entina handrefesana ny fandraisan’ny mpianatra ny fampianarana momba ny “agroéocologie” nampitaina azy ireo tany an-tsekoly no antony nanaovana ny fifaninanana. Tsapa fa nipaka tamin’ny mpianatra izany raha ny fahaizan’izy ireo namaly ireo fanontaniana napetraka.

Nihena ny fandaniana tao an-tokantrano

GSDM - Nampiova ny toetsain'ny ray aman-dreny ny fampianarana ny zanany ny agroécologieTsy nijanona tamin’ny fandraisana ny fampianarana ireo mpianatra fa nampita izany tany amin’ny ray aman-drenin’izy ireo. Nisy tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra no nampihatra avy hatrany ireo karazana teknika momba ny fambolena maharitra toy ny fampiasana zezika komposta. “Lasa mahay resaka fambolena  aho ary  afaka nampita  izany tamin’ny fianakaviako any ambanivohitra. Namboly anana izahay  ka nampiasa zezika  izay nianarana tany ampianarana ny fanaovana azy”, hoy  i Tongasoa, mpianatra avy ao amin’ny sekoly Admis Manerinerina, mpandresy tamin’ny fifanininana nokarakarain’ny GSDM.  Nijoro vavolombelona ihany koa i Ambinintsoa Thomas, ray aman-drenin’ny mpianatra avy ao amin’ny CEG  Antanambao Andranolava  fa nampihena ny fandaniana amin’ny fambolena ny fampitàn’ny zanany ny teknikam-pambolena “agroécologie”. “Manana zanaka kilasy fahaenina sy ny fahadimy aho ary nampitain’izy ireo tamiko ny fampianarana azon’izy ireo tany ampianarana momba ny agroécologie. Amin’izao izahay tsy mandany vola amin’ny zezika  fa ny zezika nampianarin’ny GSDM sy ny Prosol no ampiasainay. Taloha anefa izahay mandany 14.000  Arairy ka hatramin’ny  34.000Ariary”, hoy izy nilaza tombontsoa azony tamin’ny fampidirana ny fambolena maharitra any an-tsekoly. Noho ny fiarahamiasa teo amin’ny GSDM sy ny tetikasa Prosol dia sekoly miisa 12 ao Boeny no ampianarana ny “agrécologie”. Natomboka tamin’ny taom-pianarana 2019 -2022 izany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *