Tsy nanadino ireo mpaninjara miara-miasa aminy ny Orange Madagascar amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Nanatanteraka hetsika ho fanohanana azy ireo ity orinasam-pifandraisan-davitra ity. Toeram-pivarotana miisa 400 manerana an’i Madagasikara sy mpaninjara tena mandray andraikitra miisa 320 no nisitraka ny fandaharan’asa.
Teto afovoan-tany sy tany amin’ny faritra atsimo no nanamarihana izany ny 6 septambra 2025. Nanatanteraka diabe tany amin’ireo sekoly miara-miasa aminy ny orinasa. Nizara fitaovam-pianarana ho fanohanana ireo fianakaviana. Nizara mari-panakasitrahana hoan’ireo mpaninjara ary nitafa sy ny nifanakalo hevitra tamin’ireo mpaninjara sy ireo vondron’olona ifotony.
Nomena lanja ireo mpaninjara satria izy ireo no mampifandray ny orinasa amin’ny vondron’olona ifotony, araka ny fampitam-baovao. Manamafy ny fanakaikezana eo amin’ny Orange, ny mpiaramiasa aminy sy ireo fianakaviana ny hetsika tahak’izao, indrindra amin’ny alalan’ny fanohanana ny fidiran’ny mpianatra.
Ra-Nirina


