Socio-eco

FIATREHANA NY FIHIBOHANA : Mitohy ny fanampiana ataon’ny fikambanana SIF ireo mpatory an-dalana sahan’ny ministeran’ny mponina


Hifandrimbonana ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana. Iaraha-mahalala fa ao anatin’ireo marefo ireo ny mpatory an-dalana. Noraisin’ny ministeran’ny mponina ny fanangonana azy ireo. Ho fanampiana kosa dia nanome tolon-tanana ny Secours Islamique France eto Madagasikara ( SIF ). Noho izany dia misy fanomezana omeny amin’izany isaky ny herinandro toy ny vary, tsaramaso, siramamy ary menaka. Ankoatra izany dia nomena savony isan’olona ireo tsy manan-kialofana ireo izay mipetraka amin’ny « centre Seba » ary misy ihany koa ny aro-tava sy désinfectant ho an’ireo mpiasa mikarakara azy ireo .  Maharitra enina herinandro ny hetsika ataon’ny SIF eny amin’ny « centre Seba », isotry. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy teny an-toerana tamin’ny 05 Aogositra 2020 ireo fanomezana amin’ity herinandro voalohany ity ireo. Nanambara ny ministry ny mponina, Naharimamy Irmah  fa tsy voalohany izao fiaraha-miasa amin’ny fikambanana SIF izao fa efa im-betsaka izy ireo no nanampy ny ministeran’ny mponina ho fanampiana ireo tena sahirana ara-pivelomana. Roa ireo toerana nametrahana ireo mpatory an-dalana sahanin’ny ministeran’ny mponina dia ny « centre Seba sy madcap ». Tany amin’ny fiandohan’ny fisian’ny Covid-19 dia efa nanampy ny « cetre madcap » Isotry sy teny amin’ny centre CUA Anosizato ny SIF hoy ny minisitra. Noamafisin’ny  Chef de mission du SIF,  Bénilde Claude MAMPOUYA fa vao nanomboka ity valan’aretina ity dia nanampy izy ireo noho ny antso fangatahana fanampiana nataon’ny ministeran’ny mponina ho an’ireo mpatory an-dalana nangonina amin’ireo toerana telo  ireo ka namaly izany ny SIF. Marihana fa fianakaviana 15 ny ato amin’ny « cetre seba » Isotry.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *