Socio-eco

FIATRAINKAN’NY ADY ANY UKRAINE : Nitombo ny fanampiana ara-bola ataon’i Japon ho an’ny mponina any Atsimon’i Madagasikara


Hahazo sakafo feno. Vao maika manampy trotraka ny olana sedrain’ny mponina any Atsimon’i Madagasikara ny fiantraikany ady any Ukraine toy ny fiakaran’ny vidim-piainana fa indrindra ny  sakafo, ny saran’ny fitaterana ary ny  vidin-tsolika.  Nampitombo ny famatsiam-bola ho an’ny mponina any Atsimo ny governemanta japoney  ka nanome fanampiana ara-bola fanampiny mitentina  1 tapitrisa dolara ankoatra ny 1,6 tapitrisa dolara efa natolony tamin’ny volana jolay 2022. Ho fampitsaharana ny fiantraikany ratsin’ny krizy any Ukraine ho an’ireo mponina any Atsimon’ny Nosy io famatisam-bola io. Ahafahan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny sakafo (PAM) hanavotana ain’olona tratrin’ny tsy fanjariantsakafo mahery vaika miisa 40.000  any amin’ireo disitrika tena ahitana izany ,toy ny ao Ambovombe sy Amboasary ity fanampiana avy amin’i Japon ity. “Mila tohana hatrany ireo tratry ny  tsy fanjariantsakafo mba ahafahan’izy ireo miarina vokatry ny haintany  goavana nifanesy nandritra ny taona maro. Misaotra an’i Japon ny PAM  amin’ny fandraisany andraikitra amin’ny fanampiana ny any Atsimon’i Madagasikara”, hoy i Pasqualina Di Sirio, Solontenan’ny PAM eto Madagasikara. Hahazo sakafo  feno noho izany  ireo mponina  any amin’ny faritra Atsimo noho ireo vary miampy ireo sakafo hafa. Raha ny tatitra navoakan’ny IPC farany dia  olona 1, 9 tapitrisa any Atsimo no mety ho tratrin’ny tsy fanjariantsakafo mahery vaika eo anelanelan’ny novambra 2022 sy Aprily 2023.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *