Socio-eco

FETY TENY AMBOHIMANAMBOLA : olona iray naratra, fiara telo voaroba.


Nampalahelo ny zava-nitranga omaly Alahady alina nandritra ny fety teny Ambohimanambola. Olona iray no voatsatok’antsy sy fiara telo no voaroba tamin’izany. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ny naratra tamin’iny alina iny ihany. Very tamin’ny fiara iray izay an’ny mpanao gazety ny auto radio sy finday. Tsy mbola fantatra kosa ny voaroba tamin’ny fiara roa izay an’ny mpanakanto sy mpandray anjara amin’ny trano heva.
Marihana fa vato goavana no namakiana ny fitaratr’ireo fiara ireo nakana izay zaka ary nanao izay danin’ny kibony tokoa ireo mpangalatra ireo. Ny mahagaga kely fotsiny, ny tsy nahitan’ny mpiambina ny zava-nisy satria nanam-potoana tsara ireo mpanao ratsy namakiana sy nisava ny tao anatin’ny fiara tsirairay avy.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *