Socio-eco

FETIM-PIRENENA MALAGASY 2025: Mpianatra, mpampianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra miisa 600 eny amin’ny EPP Amboaroy nahazo fanomezana avy amin’ny fikambanana Porte Bonheur


“Manana vina hanampy ny mpiara-belona, hitondra hasambarana sy fifaliana ho azy ireo ny  fikambanana Porte Bonheur”, hoy i Randriantsoa Razaka Mireille, nandritra ny hetsika ara-tsosialy nataon’ny fikambanana ho fanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy.  Teny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP) Amboaroy Alasora no nanatanterahina izany, ny  sabotsy 2025.

Mpianatra, mpampianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra miisa 500 no notoloran’ity fikambanam-behivavy eny Alasora ity  fanomezana. Nomena kilalao, “biscuit” sy arendrina ireo mpianatra. Paty “macaroni” sy menaka kosa ny an’ny ray aman-drenin’izy ireo. Ankoatra paty sy menaka dia niampy vary ny an’ny mpampianatra. “Niangarana kely ireo mpampianatra satria zareo no tena manabe eto anivon’ny sekoly”, hoy i Randriantsoa Razaka Mireille, filohan’ny Porte Bonheur. Niara-nientana tamin’ny mpikambana ny ministeran’ny mponina tamin’io fotoana io ka nanao fanentanana momba ny zon’ny ankizy. Nizara vatomamy sy biscuit ihany koa ny Leo Club Ankoay Ambohibao.

Nambaran-dramatoa Randriantsoa fa hetsika fanaon’ny fikambanana isan-taona ny manao asa sosialy, indrindra rehefa vanim-potoanan’ny fety. Mbola hisy ny hetsika ho an’ny fidiran’ny mpianatra sy ny fetin’noely.

Lynda A.

SARY:

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *