Socio-eco

FATIN-DEHILAHY NENTINA TAMIN’NY TAXI: Olona 04 voasambotra, mbola karohina ny fahadimy


Taorian’ny fizahana nataon’ny polisy siantifika dia voamarina fa fatina vatan-dehilahy no nifono tamin’ny bodofotsy sy goelaka, tratra tao anaty taxi teny Andavamamba ny 02 janoary 2020. Nanokatra fanadihadiana ny teo anivon’ny polisy miady amin’ny heloka bevava, sakelika voalohany ka roa no voasambotra tamin’io andro io dia ilay ramatoa sy mpamilin’ilay taxi. Ny roa hafa kosa nosamborina ny 03 janoary 2020. Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny sakelika voalohany ao amin’ny polisy miady amin’ny heloka bevava, officier principal de police Randrianasolo Mamy Yvon tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny 06 janoary 2020 teny Anosy fa sipan’io ramatoa io ihany ity rangahy 40 taona novonoiny ity. Raha fantatra dia noho fandrahonan’i tompokolahy azy no antony izao famonoana izao. « Valo taona izy roa no niaraka ary niteraka vavikely. Efa manambady rangahy, ramatoa anefa tsy navelany hanambady olon-kafa ka dia norahonany fa hovonoiny raha misaraka aminy. Nanomboka teo ny disadisa », hoy ny officier principal de police Randrianasolo Mamy Yvon. Araka ny fanadihadiana hatrany, herinandro no nanomanana izao asa ratsy izao. Ny 01 janoary 2020 tamin’ny 07 ora maraina no daty voatondro namonoana an-drangahy. « Nasain-dramatoa nankany an-tranony eny Andavamamba rangahy tamin’io fotoana io ary rehefa niditra ny varavarana dia novelesina « bois rond », hoy ny Commissaire de Police Andriatianiaina René Roland. Vono olona feno habibiana ity tranga ity hoy izy satria sady novelesina no notsindronina asidra sy « formol ». Saika ho entina ho dorana eny Alakamisy Fenoarivo ny razana ka izay no nangalana iny taxi iny dia izao tra-tehaky mpitandro filaminana izao. Efa nitombo ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitandro filaminana ka manentana hatrany ny olompirenena ny eo anivon’ny polisy nasionaly mba hanome vaovao azy ireo raha sendra mahita tranga mampiahiahy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *