Socio-eco

FAPBM : Hanohana ny mpanao gazety amin’ny alalan’ny tohana ara-bola hanaovana fanadihadiana eny amin’ny faritra arovana vatsiany vola


Hifarana amin’ny 11 Febroary 2026 ho avy izao ny fametrahana ny antontataratasy amin’ny « bourse de reportage – Médias #PourLesAiresProtégées » karakarain’ny FAPBM ( Fondation pour les aires protégées et la Biodiversité de Madagascar) izay hiarahany miasa amin’ny Malagasy Brand Communication sy ny Remapsen Mada. Lohahevitra amin’ity andiany fahatelo ity ny hoe : « 20 taona namatsiana ny faritra arovana eto Madagasikara : loharanon’aina sy fampandrosoana ho an’ny vondrom-piarahamonina ». Mitentina 4.000.000 Ariary ny tohana ara-bola ho an’ny mpandresy ary efatra no ahazo an’io tohana io. Misokatra ho an’ny mpanao gazety rehetra miasa eto Madagasikara ny fifaninanana , toy ny amin’ny fahitalavitra, gazety an-tsoratra, gazety an’habaka ary ny radio. Mahafehy ny teny malagasy na teny frantsay, manana fanamafisana avy amin’ny media iray hamoaka na handefa ny fanadihadiana ary tsy mbola mpandresy tamin’ireo andiany roa teo aloha. Tsy tafiditra ao anatin’ny fifanianna intsony  ireo faritra arovana nataon’ireo mpandresy tamin’ny andiany roa voalohany. Ireto avy izy ireo : Andriafiamena, Corridor Ankeniheny Zahamena (CAZ), Corridor Forestier Ambositra Vondrozo(COFAV), Isalo, Maromizaha, Marotandrano, Nosy Tanikely, Ranomafana, Sahamalaza-Iles Radama ary Tsimembo-Manambolomaty. Marihana fa faritra arovana 75 no tohanan’ny FAPBM vola. Ity ny rohy ahitana ny momban’ny fifaninana sy ny fandraisana anjara : https://www.fapbm.org/appel_offre/concours-de-bourse-aux-journalistes-mediaspourlesairesprotegees/

Miavaka ity andiany fahatelo ity satria hisy ny mpanoro lalana na ny mentor hanampy ireo mpanao gazety mpandresy. Faritra arovana tohanan’ny FAPBM no hanaovana ny fanadihadiana.

Manana lanja manokana ity andiany fahatelo ity satria tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taona nijoroan’ny FAPBM, izay efa roa amby folo taona nanohana ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny faritra arovana manerana an’i Madagasikara.

Bourse ho fanohanana ny asa fanaovan-gazety

Amin’ny alalan’ity fifaninanana ity, manamafy ny FAPBM fa manana anjara toerana lehibe ny mpanao gazety amin’ny fanentanana ny vahoaka sy ny fanazavana ireo olana mifandraika amin’ny tontolo iainana. Kendrena ny hanohana ireo mpanao gazety amin’ny famokarana reportage manara-penitra, afaka manasongadina: ny fanamby eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny anjara asan’ny aires protégées, ny fiainan’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony, ary ny fiantraikan’ny asa fiarovana ny biodiversité.

Loharanon’aina ho an’i Madagasikara ny faritra arovana

Tsy toerana voajanahary fotsiny ny faritra arovana fa mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiainan’ny Malagasy. Anisan’ny soa entiny ny fiarovana ireo zavamananaina tokana eto amin’ny firenena, loharanon-drano fisotro, fanohanana ny fambolena sy ny jono, fampiroboroboana ny fizahantany, fanitsiana ny toetrandro ary fiarovana ny kolontsaina sy ny toerana masina.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *