Feno 20 taona amin’ity taona 2025 ity ny FAPBM na « Fondation pour les Aires Protégées et de la Biodiversité de Madagascar » amin’ny fiarovana ny karazanjavamananina ao amin’ny faritra arovana. Mazava ny iraka ataonay amin’ny fiarovana ireo karazanjavamananaina hoy ny Dr Rija RANAIVOARISON, tale mpanatanteraky ny FAPBM « Miaro ankehitriny mba hahafinaritra rahatrizay ». 75 ireo faritra arovana vatsiany vola amin’ireo 123 misy eto Madagasikara. Mitombo hatrany ny tahirim-bolan’ny FAPBM. 157 tapitrisa dollars ankehitriny raha 12 tapitrisa dollars izany tamin’ny 2005 niandohany. Mamatsy vola ireo valanjava-boahary arovana ny FAPBM. Hita mivaingana ny vokatr’izany. « Betsaka ny vokatra azon-tsika hatramin’izay 20 taona amin’ny fiarahamiasa amin’ny FAPBM. Ny fanjakana malagasy dia anisan’ny mpanorina ny FAPBM miaraka amin’ny WWF ary ny Conservation International. Noho ny fahaizana mitantana sy ny ezaky ny ekipan’ny FAPBM dia nahazo toky amin’ireo mpiara miombon’antoka iraisam-pirenena », hoy i Max ANDONIRINA FONTAINE, Ministrin’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy.
« Misy ny faritra arovana atao vaindohandraharaha noho ny antony amin’ny entimanana voafetra. Ny sivana lehibe hamaritana azy dia faritra arovana manan-karena karazanjavamananaina. Ny maha zava-dehibe ny toerana. Eo ihany koa ny tsindry mahazo azy, toy ny hoe hatahorana lany tamingana ilay biby na zavaboahary misy ao anatin’ny faritra arovana io. Miheritreritra ny hampitombo ireo faritra arovana hatrany ny APBM fa ilaina ny fandanjalanjana ny efa namantsiam-bola amin’izao mila atao tsara. Hampihena ireo tsindry mahazo azy. Manao ezaka mafy ny FAPBM mampitombo ny fahefana mamatsy vola » , hoy i Bruno RAJASIPERA, filohan’ny filan-kevim-pitantanan’ny FAPBM.
Nisy ny fihaonambe amin’ny 20 taonan’ny FAPBM natao teny Andraharo ny 19 Jona 2025 nanasana ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana. Teo ambany fiahian’ny Ministrin’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy.
Ra-Nirina


