Socio-eco

Fanotorana tany : Tsy ho afa-bela ireo mpiray tetika


Hanara-maso ireo toerana nototorana tany tsy manaraka ny drafi-panajariana ny tany ireo polisy vao avy nanao fianianana ny 11 jona 2018. 87 ny isan’ireto misahana ny fanajariana ny tany ireo ka ny enina amin’izy ireo avy amin’ny ministera foibe, misy amin’izy ireo avy amin’ny sampandraharaham-paritry ny fanajriana ny tany, ny iray avy amin’ny APIPA ary ny ambiny kosa avy amin’ireo kaominina 38 manodidina an’Antananarivo renivohitra. Mampitandrina ny tompon-tany, orinasa…mbola minia manototra tany ny eo anivon’ny ministera iadidian’ny repoblika misahana ny tetikasan’ny filohampirenena , ny fanajariana sy ny fampitaovana. Manana sary avy amin’ny zana-bolana mahita ny endriky ny tany teo aloha sy amin’izao fotoana ny ministera. Nambaran’ny tale jeneralin’ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana, Gérard Marie Andriamanohisoa fa ny toerana eny By Pass sy Ampitatafika ihany no nahazo fahazoan-dalana hanototra tany. Mandika lalàna avokoa ny ankoatr’izay raha ho an’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina.

Henjehina avokoa

Hanampy isa ireo dosie 200 efa nanaovana “verbalisation” tamin’ny taona 2016 izay tratran’ireo polisy misahana ny fanajariana manaraka eo. Araka ny fanazavan’ny tale jeneraly Gérard Marie Andriamanohisoa fa manana fahefana hanao “verbalisation” na hanao tatitra momba ny fandikan-dalàna amin’ny lafiny fanajariana ny tany na momba ny fahazoan-dalana navoaka kanefa tsy nanaraka ny lalàna, hijery ny toerana nototorana ireo polisy ireo. Aorian’izany, hanankery ny tatitra ataon’izy ireo ary ho hankatoavin’ny fitsarana. Miainga amn’io fankatoavana io ny fampiharana ny sazy. Nomarihin’ny tale jeneralin’ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana fa tsy ny tompon-tany ihany no azo henjehina momba fandikan-dalàna ny drafi-panajariana ny tany fa ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny miray tsikombakomba aminy ihany koa. Mbola azo henjehina ihany ireo tratra nanototra tany tsy ara-dalàna na dia efa tamin’ny 10 taona lasa sy efa misy trano miorina aza eo ambon’ilay toerana nototorana.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *