Socio-eco

FANJAKANA MALAGASY: Hatao lavanty ny fanomezan’ny mpanjakan’ny DUBAI.


Fito volana aty aoriana, ataon’ny fanjakana lavanty amin’ny Alatsinainy 11 Desambra 2017 ny fanomezana ho an’ny mponina tra-boina tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza Enawo. Sakafo iray « conteneur » avy amin’ny « Fondation » ny mpanjakan’ny DUBAI, Sheik Mohammed Al Makthoum Bin Rashid. Natolotra ny BNGRC tamin’ny 03 Mai 2017 ny entana sy ny taratasy rehetra afahana mamoaka tsy misy haba. Izy raha no solon-tenan’ny fanjakana no sady nomena alalana feno hitantana sy hizara ireo fanampiana. Ho an’ny tra-boina any amin’ny faritry Sava ireto entana ireto.

Manalabaraka tena ny fanjakana.

Manaratsy endrika ny fanjakana Malagasy amin’ny firenena vahiny izao fikasana hanao lavanty entana fanampiana ho an’ny tra-boina izao, hoy Ny Rado RAFALIMANANA. Ataon’ny fanjakana inona ny vola azo ? Ny olana amin’ireto sakafo ireto, mety efa lany daty ka tsy azo ho hanina intsony. « Nangataka fanazavana tamin’ny tomponandraikitry ny BNGRC izahay kanefa tsy nanome valiny mahafapo izy. Nolazainy fa omena ny fianakaviam-badiko ny entana ireo ».

Manelanelana amin’ny fanjakana.

Ny fikambanana « Ny Fanahy no maha olona » tarihin’ny filohany, NY Rado RAFALIMANANA no nanelanelana ny fanjakana Malagasy sy ny « Fondation HH Sheik Mohammed Bin Rashid Al Maktoum Humanitarian and Charity Est ». Nomena « Attestation de Donation » mihitsy izy ho marika fa voarain’ny BNGRC ny fanampiana. Ny fikambanan’ity mpanjaka ity avokoa no niantoka ny fahatongavan’ny entana teto Madagasikara.

Mbola azo antoka ve BNGRC ?

Miditra amin’ny taom-pahavaratra indray isika izao. Mety hisy ny loza voajanahary hitranga amin’ny vahoaka Malagasy ka tonga indray ny antso. Mampiahiahy anefa ny zavatra mitranga toy izao. Miteraka tsy fatokisana ny BNGRC ny tsy fanatanteraha ny teny nomena an’ireo mpanome fanomezana ho an’i tra-boina.
Nirina R.

HORONAN-TSARY

ANGLISY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *