Mahoraka

Fanambadiana mateza : 40 taona niarahana Razaka Oliva mivady


 

Fifaliana ny azy roa ireto ! 40 taona nivadiana i Razaka Oliva sy Razaka Manantenasoa Ralphine vadiny. Ny taona 1976 no nanamasinana ny fanambadian’izy ireo. Nisy mpivady hafa enina ihany koa nanamarika ny tsingerin-taona fahelan’ny fanambadiany.

Nisy tamin’izy ireo no feno 60 taona, 50 taona. Ny hafa 20 taona sy telopolo taona. Toy ny fanaon’ny FLM Ambatovinaky izay fiangonana misy azy rehetra ireo, nisy ny fotoana natokany ho an’ny fanambadiana mateza ny alahady lasa teo ka nanomezany mari-pahatsiarovana izany vanim-potoana lehibe izany teo amin’ny fiainan-tokantranon’ireto mpivady ireto. Mirary azy ireo hanohy hatrany ny diany ka hahatratra ny ela indrindra eo ami’ny famakivakiana miaraka ny fiainana.

Marihinay eto amin’ny DéLire Madagascar fa ravoravo izahay rehetra miarahaba ny tonian-dahatsoratray…

H.R


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *