Socio-eco

FANAFIHANA FIARA MPITONDRA MPIZAHANTANY: Mpiseradia iray maty voatifitra


Mihorohoro tanteraka ireo mpamily fiara mpitondra mpizahantany mankany Morondava, Tsingin’ny Bemaraha. Amin’ny atoandro be nanahary ireo dahalo no manafika ireo fiara mitondra mpizahantany. Vao tsy ela akory fa ny zoma 08 jona 2018, tamin’ny 02 ora tolakandro dia mpiseradia iray nitondra fiara hizotra ho any Atsimo Andrefana no voatifitry ny dahalo. Maty tsy tra-drano ity tovolahy ity. Araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny fikambanan’ny mpiseradia nasionaly sy ny mpamily mpiseradia eto Madagasikara, Andry Ravoninjatovo fa teo anelanelan’ny Beravina sy Tsiroanomandidy no nitranga ny loza. Fiara maromaro no niaraka tamin’ity mpamily mpiseradia (chauffeur guide) ity. Mbola tsy naharay vaovao ankoatr’ireo ny fikambanana hatramin’ny nanaovany valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety, ny sabotsy 09 jona 2018.

Mitaraina

Efa tranga miseho matetika ny fanafihana fiara mpitondra mpizahantany mankany amin’ny faritra Atsimo, Atsimo Andrefana. Amin’ny andro mazava avokoa no hitrangan’izany. Manoloana izany, miantso ny mpitandro filaminana ny fikambanan’ny mpiseradia nasionaly sy ny mpamily mpiseradia eto Madagasikara, ny federasiona nasionalin’ny mpiseradia, ny “tour opérateur” sy ireo mpisehatra amin’ny fehezantany mba hitady vahaolana amin’ity asan-dahalo ity. “Mba fara-faratsiny mihena ny fanafihan-dahalo, mahatsiaro ho miasa ao anatin’ny fandriam-pahalemana izahay raha toa ka mbola sarotra ny fanafoanana ny asan-dahalo”, hoy i Andry Ravoninjatovo. Mampidi-bola ny firenena Malagasy ny sehatry ny fizahantany. Nampihena ny fahatongavan’ny mpizahantany eto Madagasikara anefa ny tsy fandriam-pahalemana misy eto. Fanarian’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fizahantany ny fandraisana andraikitry ny ratsa-mangaika isan-tsokajiny mba hamongorana izany.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *