Socio-eco

FAMPIRANTIANA NY TANTARA ARA-TOEKAREN’I MADAGASIKARA : Hiverina hisokatra ho an’ny daholobe


Ilaina ny mahafantatra ny lasa ahafahana manorina ny ho avy. Hampiantrano indray ny FTHM Expo izay miompana amin’ny  tantaran’ny toekaren’i Madagasikara nandritra ny 1300 taona ny « La Cité des Cultures Antaninarenina, ny 5 ka hatramin’ny 27 janoary 2026. Misokatra ho an’ny daholobe ity fampirantiana karakarain’ny FTHM Consulting sy ny departemantan’ny tantara eny amin’ny FLSH, Oniversite an’Antananarivo ity. Haranty an-tsary sy an-tsoratra ny fivoaran’ny tantara ara-toekaren’i Madagasikara nandritra 1300 taona. Hanazava ny zava-misy ankehitriny amin’ny alalan’ny tantara tany aloha izay matetika tsy fantatra no tanjon’ny fampirantiana.

Ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-30 taonan’ny FTHM, mpisehatra amin’ny fanomezana torohevitra amin’ny fitantanana orinasa (cabinet de conseil en stratégie, management et externalisation) ny fampirantiana. Haseho mandritra ny hetsika ihany koa ny asa vitany nandritra izay fotoana izay, miaraka amin’ny iraka ataony, ny tetikasa sy asa vitany.

 “Mila fantarina izay nitranga tany aloha fa sarotra ny mandroso raha mijanona eo amin’ny toeran’ny mpamorona mandrakariva. Rehefa  tsy mahafantatra ny tantaram-pirenena  dia  tsy afaka manapa-kevitra satria tsy mahafantatra izay  nitranga teo aloha fa tahaka mamorona  hatrany. Raha mamorona hatrany hatrany dia sarotra ny mandroso satria eo amin’ny toeran’ny mpamorona mandrakariva ”, hoy i Helihanta Rajaonarison, tomponandraikitry ny sampam-piofanana tantara any amin’ny oniverisiten’Antananarivo, nandritra  ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny volana mey 2025 ho fampahafantarana ny fihaonambe sy fampirantiana momba ny tantaran’ny toekarena nodiavin’i Madagasikara nandritra 1300 taona, notontosaina tamin’ny taona 2025.

Nanamafy i Rajaona Thierry, tomponandraikitry ny FTHM Consulting tamin’izany fa ilaina ny fampahafantarana ny tantara ara-ekonomika an’ity firenena ity, indrindra ho an’ny tanora. “Raha vao tsy mahafantatra ny tantara dia tsy afaka hanangana ny ho avy”, hoy izy.

Voasafidy ho « coup de cœur » nandritra ny RE-GEM Awards nandritra ny Fihanaon’ny vondron’oroinasa eto Madagasikara, andiany voalohany ny FTHM Expo momba ny tantara ara-toekaren’i Madagasikara nandritra 1300 taona.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *