Raha te hiahy ny fahasalamana ara-pananahan’ny mponina dia tafiditra ao anatiny ny fanabeazana ara-pananahana feno (ECS), ny tolotra rehetra momba ny fandrindram-piterahana, fandraisana an-tanana ny reny mitondra vohoka mialoha sy aorian’ny fiterahana, ny fiterahana amin’ny fomba azo antoka, ny fitsaboana vonjimaika, ny tolotra momba ny fampitsaharana vohoka azo antoka, ao anatiny ny fitsaboana raha misy fahasarotana, ny fitsaboana ireo marary noho fampitsaharana vohoka natao tamin’ny fomba tsy azo antoka , ny servisy misahana ny antontam-baovao momba ny fisorohana sy fitsaboana ny aretina avy amin’ny firaisana ara-nofo, ny homamiadana momba ny fananahana sy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy ary resaka fahamombana, ny antotam-baovao sy tolotra momba ny fiainantsoa sy ny fandrindram-piterahana, araka ny fanazavan’i Dr Chilanga Asmani, mpanolontsainam-paritry ny UNFPA ao Afrika Andrefana sy Afovoany momba ny fandaharan’asa sy politika momba ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana, nandritra ny fivoriana ampitain-davitra (webinaire), nokarakarain’ny Tambazotran’ny orinasan-tserasera eto Afrika ho an’ny fampiroboroboana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (REMAPSEN) niaraka tamin’ny Tahirim-bolan’ny firenena mikambana ho an’ny mponina (UNFPA), ny 22 mey 2024. Aiza ho aiza isika izao amin’ny fankatoavana sy fampiharana ny lalàna momba ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana (SR/PF) eto Afrika ? Io lohahevitra io no noresahana nandritra ny webinaire. Ankoatran’i Dr Chilanga Amsani dia nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra ihany koa i Dr Djénébou Diallo, Tomponandraikitry ny adisisika ao amin’ny sampana fandridrana ny fiarahamiasa ao Ouagadoudou (UCPO) sy i Profesora Tia Mélanie, Filohan’ny ONG Women in Global Health, ao Côte d’Ivoire.
Nambaran’i Dr Chilanga Asmani fa tsy mionona amin’ny fanafoanana ny aretina na tsy fahatomombana momba ny fananahana ny fahasalamana ara-pananahana fa tokony ho raisina an-tanana ihany koa ny ara-batana, ara-pihetseham-po, ara-tsaina ary ara-tsosialy. Manampy ny firenena mpikambana amin’ny fampiharana sy fananterahana ireo sahan’asa na fifanarahana iraisam-pirenena sy isam-paritra amin’ny lafiny fahsalamana ara-pananahana ny UNFPA, amin’ny maha sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana azy. Ho any eto Afrika ohatra dia misy fifanarahana natao tany MAPUTO (2003) momba fiantohana ny fahazoan’ny vehivavy sy ankizivavy misitraka ny tolotra momba ny fahasalamana sy zo ara-pananahana. Tsy mbola nankatoa io fifanarahana io i Madagasikara, 21 taona aty aoriana. Ny andininy momba fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana (ITG) no sakana tsy ankatoavina izany. Manana lalàna kosa anefa isika momba ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana izay nankatoavina ny taona 2017. Milaza ny lalàna 2017-043 fa tsy misy olona na dia iray aza ka tokony ho voatohitohina ny zony fa tokony hisitraka izany tsy misy fanavakavahana, tsy mifototra amin’ny taona na amin’ny maha lahy na vavy na ny harena na lokon’ny hoditra na resaka fiaviana. Araka ny fehezan-dalàna, andininy faha-317 dia voasazin’ny lalàna ny fanaovana fampitsaharana vohoka (IVG) sy ny olona manampy amin’ny fanatanterahana izany. Mbola manamafy ihany koa ny lalàna 2017-043 fa ny fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana (ITG) fa voararan’ny lalàna, araka io andinin-dalàna 317 io. Tsy azo hodian-tsy hita anefa fa maro ireo trangana fanalan-jaza noho ny anton’ny maro saingy atao antsokosoko sy amin’ny fomba tsy azo antoka izany.
Ra-Nirina


