Socio-eco

FAHAMAIZANA TAO ANDEKALEKA: Heverina ho “incendie criminel”


Misokatra ny fanadihadiana momba ny firehetan’ny transformateur voalohany manana tanjaka 30 MVA tao Andekaleka. Ahiahiana ho “incendie criminel” ity firehetana ity na dia efa nanambara aza ny tomponandraikitry ny  Jirama fa noho ny “court circuit” no nahatonga ny loza. Olona 4 no efa natao fanadihadiana momba ny fipoahan’ny vata mpanova herinaratra tao Andekaleka ny 2 janoary 2022 lasa teo. Anisan’izany ny mpiambina niasa talohan’io tranga io sy ny mpiambina taorian’ny tranga, raha ny fanazavan’ny ministry ny Fitsarana Imbiki Herilaza nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 6 janoary 2022. Nambarany ministra fa mampieritreritra ny tranga tao Andekaleka ary nisy fiantraikany tany amin’ny vahoaka Malagasy izany. “Manana andraikitra ny amin’ny fitandroana ny filaminana ny ministeran’ny fitsarana ary miteraka korontana ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra, ny famatsiana rano”, hoy izy.

 Araka ny toromariky ny Prezidan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra dia nosokafana ny fanadihadiana momba ity fipoahana vata mpanova herinaratra ity. Ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina no miandraikitra izany, miaraka amin’ny zandarimariam-pirenena. Nandefa tomponandraikitra manokana, polisy teknika sy siantifika ny ministera hiaraka hijery akaiky ny raharaha miaraka amin’ny Jirama sy ny ministeran’ny angovo. Nilaza ny ministry ny fitsarana fa ho atao anatin’ny fangaraharahana tanteraka ny fanadihadiana ary ho taterina amin’ny vahoaka Malagasy ny tohiny ny raharaha.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *