Faits-divers

Eric Fou-Hehy : Nisongadina ny fisaorany ny PRM Andry Rajoelina sy ny depoité Rossy


« Hiverina hiasa sy hanao ny andraikitro rehetra toy ny teo aloha aho rehefa feno herintaona ny nahavitan’ny fandidiana ahy…. Ny 25 hatramin’ny 27 jona 2019 no nanaovana ny fandidiana ahy tany Inde. Ka raha tombanana izany dia any amin’ny volana Jona taona 2020 any aho dia ho tonga eny an-tsehatra indray »

Io no resaka nataon’ity mpanakanto ity teny amin’ny tranombokim-pirenena teny Ampefiloha tamin’ity andro Zoma 29 Novambra 2019 ity… Salama tsara ny tenany amin’izao raha ny fanazavany. Ny fanoloana tanteraka ny aty, ary ny fametrahana voa no natao tany, hoy ny fanazavany. Efa tena lasa lavitra raha ny fahaiza-manaon’ny Indiana amin’ny fitsaboana sy ny fitaovana ampiasan-dry zareo raha ny fanazavana nataon’i Eric hatrany. Olona roa samihafa no nanome ireo taova ireo ho azy… teo ny vadiny izay nanome ny voa, ary ny « rahalahiny » niara-notaizaina taminy, izay nanome ny aty. Nomarihiny fa samy olombelona velona sy salama no nanome ny taova ho azy…

Maro ny dingana sy ny sedra tsy maintsy natrehana tany Inde, hoy izy,  raha nanohy ny fanazavany satria ny vola, ny fotoana, ny fahasalamana, ny kirakira ara-taratasy dia tsy maintsy nilàna tanja-tsaina goavana. Nisaorany manokana ny Prezidan’ny Repoblika nifandimby ary nolazainy fa nanampy betsaka tamin’ny fitsaboana ny prezidà Rajoelina. Ny depioté Rossy kosa, hoy izy, no voalohany nanaitra ny sain’ny rehetra tamin’ny tsy fahasalamany.

Isaorana daholo na ny bitika indrindra tamin’ny fanampiana rehetra natao, ary tsy ho voavaly mihitsy izany satria lehibe loatra ny raharaham-pahasalamana…Mila fanampahan-kevitra maika ho amin’ny fahasalamana ho an’ny daholobe ary tsy misy antony handehanana any ivelany akory raha nanezaka mafy ho amin’ny hopitaly tena harifomba isika, hoy ity mpanakanto fantatry ny rehetra ity.

Ankoatra izay dia mafy ny manjo an’i Fanaiky Rasolomahatratra ao amin’ny Solomiral ankehitriny, hoy ny fanampim-panazavana nomeny ny mpanao gazety, koa manainga ny rehetra ny tenany hanampy ity mpanakanto ity ka hanao izay tandrify azy avy. Raha ny adidiko, hoy Eric, dia ny hanampy ny rehetra izay tratran’ity aretin’ny voa ity ara-kevitra sy fanoroana lalana no ataoko. Misokatra ho an’ny rehetra ny varavarako, hoy izy, ho an’izay rehetra mila fanampiana ara-kevitra isan-tokony. Nanao antso avo ko aizy fa ilaina ny manao zava-dehibe ny fahasalamana ka tokony hanangana fondation ho fitsinjovana ny aretina mila fandidiana toy izao ny mpanakanto rehetra…

Miora Razafindramanitra


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *